Politique

Ankolafy Telo Hanao fanambarana lehibe


  • Zoma 06 Mey 2011

Totoafo ny fivoriana tao amin’ny “Villa Elisabeth” Ivandry taorian’ny sabotsy 16 aprily teo, nanombohan’ny fanaovan-tsonia nataon’ireo fikambanana sy antoko politika resy lahatra ka manohanana ilay fanambarana nataon’ny Ankolafy Telo ny 05 martsa.

Tsy mipetra-potsiny ny Ankolafy telo, na eo aza ny fihaonambe tsy ara-potoana ataon’ny SADC amin’ny 20 may izao. Eo ny fanaterana taratasy tahirin-kevitra amin’ireo masoivohom-pirenena vahiny samihafa. Mitohy any amin’ny Faritra samihafa ihany koa ny fanaovan-tsonia fanohanana ilay fanambarana. Etsy andanin’izay ny fivoriana fanomanana hetsika lehibe hatao ato ho ato. Nitarika fivoriana mikasika izany mihitsy ny Pr Zafy Albert omaly. Raha tsy misy ny fiovana dia hifamotoana ao amin’ny Motel Anosy ireo fikambanana maro nanao sonia io fanambaran’ny Ankolafy Telo io rahampitso.

Mety hisy fanambarana lehibe iraisana amin’ireo rehetra tsy anavahana ka tapa-kevitra ny hiroso amin’ny fananganana tetezamita iraisana amin’io. Ny antony nahatongavana amin’izao dingana vaovao izao, araka ny fanazavan’ny Dr Manoro Régis, dia niainga tamin’ny fahatsapana fa, andaniny, mitarazoka loatra ny krizy, izay mitarika fahasahiranana amin’ny sehatra maro, noho be marenina ataon’ny FAT mitsipaka ny fananganana ny tetezamita tena izy, ary ankilany, ilay sori-dalana ambara fa vita rangopohy hitondrana ny tetezamita dia an’ny FAT ka sady tsy hamaha ny krizy no tsy hitondra fitoniana ary tsy hitarika amin’ny fampihavanam-pirenena tena izy.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT