Politique

Ankolafy Telo Fiomanana amin’ny “1 mey” indray izao no malaza


  • Alarobia 27 Aprily 2011

Niverina an-kianja tetsy amin’ny Magro Behoririka indray omaly talata 26 aprily ny mpitolon’ny ankolafy 3 rehefa niato kely nankalaza ny fetin’ny Paska.

Raha ny marina tsy dia hoe tena fialan-tsasatra no natao fa fanamafisana ny vavaka ho an’ny firenena atao isan’andro ao amin’ity toerana ity, satria efa nambara ombieny ombieny tao fa tsy hisy fitsaharany ny hetsika mandra-pahazo ny fandresena farany dia ny fiverenan’ny ara-dalàna eto amin’ny firenena izany, miaraka amin’ny fiverenan’ny Filoha roa lahy any ampitan-dranomasina sy ny fahazoan’ny Filoha Marc Ravalomanana mirotsaka hofidiana amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena indray. Ny fanomankomanana ny fankalazana ny fetin’ny Asa (1 mey) no nibahan-toerana tamin’ny kabary nifandimbiasana tamin’io omaly io. «Manomana hetsika isika dia ny mpiasa sy ny tsy an’asa, ny hetsi-bahoaka koa», hoy ny Dr Marcel.

«Hisy hetsika amin’ny 01 mey ho an’ny sendikalista ary hiantsoana ny very asa koa izany», hoy ny fanamafisana nataon’i Olivier Rakotovazaha, sekretera jeneralin’ny MFM. Fanamarihana ihany koa no nentiny tamin’ny filazana fa ny roa tamin’ireo dimy, filoham-pirenena mikambana ao amin’ny SADC no nandray an’i Andry Rajoelina tatsy Afrika fa tsy nisy vokany, izao dia i Monja Roindefo no horaisin’ny Filoha afrikanina tatsimo, Jacob Zuma. Azo tsapaina amin’izany ny lanjan’i Andry Rajoelina eo anivon’ny SADC, hoy izy.

 
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT