Politique

Ankolafy Telo Faritra Atsimo Andrefana Mitaky ny fanitsiana ny sori-dalan’ny Dr Simao


  • Talata 15 Martsa 2011


Manao ranolava ny fanambarana avy amin’ny lafivalon’ny Nosy taorian’ilay rangopohy nataon’ny mpanao politika, izay ny ankamaroany dia mpiara-dia amin’i Andry Rajoelina, teny Ivato ny alakamisy 09 martsa lasa teo. Anisan’ny naharaisana fanambarana ny Ankolafy Telo avy any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, izay “mitaky ny fanitsiana ny sori-dalana novolavolain’ny Dr Leonardo Simao samirery, fa mitaky ny sori-dalana andraisan’ny herivelona rehetra anjara hirosoana amin’ny fananganana governemanta iraisana”.

Izany dia araka izay tapaka nandritra ny fivoriana nataon’ny Ankolafy Telo Faritra Atsimo Andrefana, tao Toliara ny alarobia 09 martsa, fanambarana izay tohanan’ny Tokobe Telo, araka ny fanampim-panazavana voaray. Akoatra izay dia “mitaky ny fahatsiarovantenan’ny mpitandro ny filaminana izy ireo mba ho tena tandroka aron’ny vozona hitsinjo ny fahasahiranam-bahoaka izay mikorosy fahana amin’izao fotoana izao. Tsy hiaro bontolo ny tombontsoan’olon-tokana fa tena hita mamarina an-kady ny tombontsoam-pirenena izany. Mitaky ny fandravana ny sarintsarin’andrim-panjakana misy amin’izao fotoana izao”. Manohana tsy misy fepetra ny Ankolafy telo nasionaly ihany koa.

 
Nangonin’i Jean

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT