Politique

Ankolafy Telo Angaredona diplaomatika


  • Talata 15 Martsa 2011

Miditra amin’ny dingana ambonimbony kokoa ny hetsika ara-diplaomatika ataon’ny Ankolafy telo mikasika ity fandaminana ny krizy ity.

Ary dia angaredona mihitsy izy ity manomboka eto. Eto an-toerana, mitohy ny fanateran’ireo delegasiona taratasy amin’ireo masoivohom-pirenena eto Antananarivo mampahafantatra amin’izy ireo ny tsy fetezan’ny fandehan-draharaha amin’izao fotoana ary koa milaza fa tokony hisy ny fihaonana an-tampony eo amin’ireo filohan’ny ankolafy mba hijerena ny soso-kevitra rehetra nivoaka hatramin’izao fikatsoana izao. Andro fahefatra tamin’ny hetsika ny omaly. Nifampizara ny delegasiona ka ny masoivohon’i Alemaina sy India ary Maorisy no nanaterana taratasy. Hovitaina amin’ity anio ity ny an’ireo masoivoho sisa.

Etsy ankilan’izay dia hihazo an’i Afrika Atsimo anio Atoa isany Monfort Razafimahefa (Ankolafy Ratsiraka) sy Manoro Régis (Ankolafy Zafy Albert) hanatevina ny delegasiona hiara-dia amin’Atoa Marc Ravalomanana hitety ireo firenena ao anatin’ny SADC ka hihaona mivantana amin’ireo filoham-pirenena, hampahafantatra amin’izy ireo ny zava-misy marina eto Madagasikara, indrindra manodidina ny fanelanelanana amin’ny krizy. Efa nambaran’ny filoha Ravalomanana ny hanatanterahana io dia io, ary mbola nohamafisiny izany omaly, raha niditra nivantana an-tariby nandritra ny hetsiky ny Ankolafy tao amin’ny Magro Behoririka izy. Nampahafantariny fa dia hihazo avy hatrany an’i Zambia, izay ny filohan’ity firenena ity no lehibe mitarika ny Troika, misahana ny raharaha politika sy ny fandriampahalemana eo anivon’ny Vondrona SADC, miaraka amin’i Afrika Atsimo sy i Mozambika ny delegasiona tarihiny. Aorian’izay dia mankany Botswana misy ny foiben-toeran’ny SADC ary hipaka any Namibia. Ny filoha Namibiana rahateo no filoha am-perinasan’ny SADC. “Aza matahotra fa hainay ity”, hoy ny filoha Ravalomanana omaly, izay nanamarika fa anatin’ny fivoriana fanomanana io dia io, miaraka amin’ny manampahaizana manokana momba ny famahana ny krizy izy omaly. Ary io omaly io ihany koa dia hanambara ho ren’ny vazavan-tany fa tsy mety ary tsy tanteraka hatramin’ny farany ny fandrafetana ny sori-dalana hivoahana amin’ny krizy. “Tsy maintsy vitaina hatramin’ny farany io”, hoy izy, satria “rehefa foanana tsy hoekena intsony ny fifanarahana natao tany Maputo sy Addis Abeba, dia ireo izay nanao sonia ihany no manafoana izany, fa tsy vita am-bava fotsiny”.

Tamin’io fotoana io no nanamafisan’Atoa Ravalomanana indray fa tsy miditra amin’izay governemanta tian’i Andry Rajoelina hatsangana izany ny ankolafy tarihiny raha tsy mazava tsara ny sori-dalana. “Ka diso ireo izay milaza, fa avy amin’ny Tiako I Madagasikara na Ankolafy Ravalomanana no hiditra ao”, hoy izy. Na izany aza, amin’ny maha raiamandreny azy dia niantso ireo izay diso lalana mba hiverina dieny izao izy. Nandà izany moa ny vahoaka maro tonga tao Behoririka omaly, saingy nanazava Atoa Ravalomanana fa amin’ny maha olombelona dia mety voafitaka ny sasany tamin’izy ireny. Na izany aza dia hentitra ny filazany fa tsy hanaiky lembenana velively izy, ary niantso ny vahoaka, indrindra ireo mpomba azy ny tenany mba ho mailo manoloana ny fafy lainga.

Rehefa izay dia niezaka nanome valin-teny sy fanazavana tamin’ireo fanontaniana nivantana napetraky ny olona teny amin’ny Magro ny tenany, hampisinda ny ahiahy sy ny fisalasalana. Mikasika ny hoe hiandry hatramin’ny oviana no hahafantarana ny farany, dia nampahafantatra ny fomba fiasa sy ny dingana arahina Atoa Marc Ravalomanana. Mivory ny troika, hoy izy, avy eo mandalo ny SADC dia tonga eo anivon’ny filankevi-pilaminan’ny Vondrona Afrikanina na CPS, dia any no mankato na tsia. Ka “tsy afaka mametraka governemanta mihitsy raha tsy mahazo tsodrano avy amin’ny Vondrona Afrikanina”. Mikasika ny fikasan’ny Ankolafy Telo hanangana governemanta indray dia niangavy ny mpiara-dia mba hiandry ny valin’ny dia hataon’izy ireo aloha ny tenany. Mandra-piandry izay dia nanamafy ny mpitarika eto an-toerana fa mitohy hatrany ny hetsika ao amin’ny Magro Behoririka.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT