Politique

Ankolafy Ravalomanana teny Ivato Nahafaly ireo mpanao politika maro


  • Alakamisy 10 Martsa 2011

Nahafaly an’ireo mpanao politika maro tamin’ny ankapobeny ny fahatongavan’ny solontenan’ny ankolafy Ravalomanana teny Ivato omaly nanatrika an’ilay fanaovan-tsonian’ny sori-dalan’ny SADC.

Alain Ramaroson : “Rehefa tsy mandika ny fepetra momba ny tetezamita voasoratra ao anatin’ny lalàmpanorenana vao nofidiana farany teo ilay tondrozotra dia manao sonia ny antoko Masters sy FCD tarihanay na dia nisalasala aza tany am-boalohany. Mikasika ny ankolafy Ravalomanana dia fihetsika mampiseho fitiavan-tanindrazana tokoa sy fikatsahana ny tombontsoan’ny rehetra no nasehoan-dry zareo amin’izao fahatongavany izao. Midika izany fa efa milamina ny politika eto Madagasikara, efa miverina amin’ny ara-dalàna izany ny eto amin’izao. Efa mahatsapa tena ry zareo fa mila fiaraha-miasa ny fialan’ny firenena amin’ny krizy. Mangataka kosa anefa ny Masters sy FCD raha hisy fanitarana ny rafitra mpanao lalàna CST sy CT dia mba jerena ireo niara-nidinika tamin’ny fikaonandoham-pirenena sy fivoriana isan-tsokajiny teny Ivato ireny ka tsy mbola tafiditra ao”.

 

Dr Alain Tehindrazanarivelo : “Efa hita izao fa manana toe-tsaina mandray andraikitra ny ankolafy Ravalomanana. Efa miezaka ry zareo satria nahavita dingana lehibe. Hampiana ry zareo amin’ilay fomba fanatanterahana ny firosoana kokoa amin’ny fananganana ny rafitra tetezamita”.

 
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT