Politique

Ankolafy Ravalomanana Manameloka ny fanaovana antsojay


  • Zoma 18 Martsa 2011

Misy tsy mety ny fanatanterahana ny fanadihadiana amin’ny fitazonana an’i Mamy Rakotoarivelo, hoy ny ankolafy Ravalomanana namory mpanao gazety tetsy Bel’Air omaly.

Fotoana tokony hametrahana fitoniana politika izao ary ao anatin’ny fitadiavana vahaolana no mitranga indray ny olana, hoy ny feo heno. Manohana tanteraka an-dRakotoarivelo ny ankolafy Ravalomanana ary nanamarika fa manana mariboninahitra izy. Manantena ny fijoroan’ny tribonaly tsy hitanila fa hanao ny asany tanteraka ity ankolafy ity. Fantatra, hoy ry zareo fa efa misy ny lisitra vaovao any ary hitohy ny fisamborana. Izahay dia manameloka ireny tranga ireny tanteraka.

Nohazavaina tao amin’ity fihaonana ity koa ny fampitam-baovao nalefan’ny mpitondra tenin’ny ankolafy Ravalomanana, Atoa Guy Rivo Randrianarisoa , any amin’ny fivondronambe iraisam-pirenena izay angatahiny mba hanameloka tanteraka ny famoretana miseho lany eto Madagasikara ataon’ny FAT ka hampihatra ara-bakiteny sy tsy misy indrafo ny sazy nomen’ny SADC an-dRajoelina sy ny namany tamin’ny 17 martsa 2010 nohamafisin’ny Vondrona Afrikanina tamin’ny 31 janoary 2011.

Ny filoha Ravalomanana sy ireo mpanara-dia azy nikasa hiverina an-tanindrazana no anisan’ny niharan’izany tsy ela dia nitatra tamin’ny fianakaviana Didier Ratsiraka ary tonga hatrany amin’ny fanenjehana an’ny Pr Zafy Albert izany. Ankehitriny dia ny lehiben’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana indray no hampangaina ho mifofo ny ain’ny filohan’ny FAT ka anaovana antsojay ihany koa. Izany rehetra izany, hoy ny fampitam-baovao, dia ao anatin’ny fiezahan’ny ankolafy 3 mandresy lahatra ny Troika sy ny SADC any Afrika Atsimo amin’ny fanolorana vahaolana mahomby hivoahana amin’ny krizy.

 
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT