Politique

Ankolafy Ravalomanana Hatreny Bel’Air dia efa tsy nitovy ny hevitra


  • Alakamisy 10 Martsa 2011

Efa tsinjotsinjo tao amin’ny QG n-ny antoko Tiako i Madagasikara tao Bel’Air ihany omaly maraina ny mety ho fivadibadihan-javatra ao anatin’ny Ankolafy Ravalomanana.

Niakatrakatra mantsy ny feo tao amin’ity toerana ity tamin’ny firesahan’ny rehetra tonga tao ny hanaovana sonia na tsia an’ilay tondrozotran’ny SADC. Niditra an-tsehatra an-telefaonina ny Filoha Marc Ravalomanana nitondra ny heviny amin’ny zava-misy sy nanome toromarika amin’izay tokony hatao mikasika an’io fanaovan-tsonia io. Teo dia efa tsapa ho nivaky roa ny hevitr’ireo mpifanakalo hevitra. Tao ny nilaza fa tsy hoe narahina 100% hatrany akory ny hevitra avy amin’ny Filoha Ravalomanana fa tsy maintsy nampifanarahana amin’ny zava-misy izy ireny. Nisy kosa ny nanamarika fa tsy manao fanelanelanana ny Dr Simao fa manao arbitra.

Mbola vao mainka nihanafampana ny fifanakalozan-kevitra rehefa ireo parlemantera avy amin’ny Tiako i Madagasikara sisa nijanona tao amin’ny efitrano fivoriana. Ny fihiakan’ny mpivory iray nivoaka tao nilaza fa tsy amin’ny alalan’ny fipetrapetrahana eto an-tokotanin’ny QG no hampiverina an-tanindrazana ny Filoha Marc Ravalomanana no nanombantombanana sahady fa hisy ny ho eny Ivato amin’ireo avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana ireto, ary dia izay tokoa no niseho. Nivoaka ny vala i Yves Aimé Rakotoarison, fa efa niposaka avy any andrefana, hono, ny masoandro !

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT