Politique

Ankolafy Ravalomanana Atsimo Andrefana Miantso ny FFKM handray andraikitra


  • Alakamisy 21 Aprily 2011

Efa ho telo taona izao no niainan’i Madagasikara tao anaty krizy politika novolena ary dia tsy mbola nahitam-bahaolana hatramin’izao. Fatiantoka tsy hita noanoa no naterak’izany ary tsy mitsaha-mitombo ny fahantran’ny vahoaka Malagasy.

Ana hetsiny ireo very asa, maro ireo tsy afa-misakafo araka ny tokony ho izy, mirongatra koa ny asan-jiolahy mitarika tsy fandriampahalemana sy ny maro hafa tsy voatanisa. Manoloana izany indrindra dia miantso ireo raiamandreny ara-panahy eo anivon’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara na ny FFKM ny ankolafy Ravalomanana rantsana any Toliara mba handray andraikitra. Hiangavian’izy ireo ny FFKM Foibe hitarika ny fanelanelanana, hampanao ny fihaonambem-paritra sy ny fihaonambem-pirenena hahafahana mivoaka haingana amin’izao krizy izao sy hanafohezana izao sarintsarina tetezamita izao, araka ny fanambaran’izy ireo ihany. Manainga ny feon’ny fieritreretan’ireo raimandreny eo anivon’ny FFKM izy ireo mba tsy hijery fotsiny toy ny tany nahalavoana ny firenena satria efa tena halohalika ny ranombary.

Nangonin’i Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT