Politique

Ankolafy Ratsiraka Manomana mafy ny fiverenan’ny filohan’izy ireo


  • Alarobia 09 Febroary 2011

Manomana mafy mitady ny hirika rehetra ahafahan’ny amiraly hiverina an-tanindrazana amin’izao fotoana izao ny ankolafy Ratsiraka.

Araka ny loharanom-baovao anefa dia misy ireo tompon’andraikitra miaramila olon’ny amiraly teo aloha saingy efa nivadika amin’izao fotoana izao rehefa nomen’ny FAT toerana ambony, manakana mafy io fiverenana io. Ny anton’izany, araka ny fantatra, dia satria matahotra sao hahazo vahana ny amiraly rehefa tonga eto an-tanindrazana.

Etsy andaniny, efa saika eto an-toerana ny ankamaroan’ireo ekipan’ny amiraly izay tsy nivadika taminy hatramin’izay ka hatramin’izao. Ankoatra an’i Tantely Andrianarivo sy ny jeneraly isany Jean Jacques Rasolondraibe, Tsaranazy Jean Emile dia fantatra ihany koa fa efa midina eny ambany tanàna mihitsy ny ministry ny fanajariana ny tany teo aloha Ramanantsoa Herivelona. Teny ambany tanàna moa no tena nahafantaran’ny maro azy niaraka tamin’i Rossy nandritra ny fitondran’ny Amiraly. Miezaka mamerina ny tanjaky ny antoko ny lehilahy amin’izao fotoana izao ary misoko mangina izany. Ny tanjona amin’izany rehetra izany dia ny fanomanana ny fiverenan’ny amiraly ka hitsenana azy amin’ny fomba manetriketrika.

Rakoto Maxime
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT