Politique

Ankolafy Rajoelina Hanava-tena eny Ivato indray


  • Alarobia 02 Martsa 2011

Raha tao anatin’ny fisalasalana tanteraka dia fantatra tamin’ny ora farany fa hotontosaina eny amin’ny ivontoerana iraisam-pirenena eny Ivato amin’ity anio ity ny famoriana ireo mpanao politika hataon’i Andry Rajoelina.

Efa nambarany tany Toamasina moa ny hanatanterahana azy ity, tamin’ny herinandro lasa iny raha nidina nitsena vary tany izy, fa hamory mpanao politika izy ny talata na ny alarobia. Tapaka izany fa anio alarobia no hanatontosany izany. Araka ny fantatra, sady hanapa-kevitra amin’ny sori-dalana hivoahana amin’ny krizy ny mpizaika eny no hamaritra ny tetiandrom-pifidianana ihany koa. Tsy handray anjara amin’ity fihaonana eny Ivato ity ny avy amin’ny Ankolafy Telo, raha tsy hoe hisy hangala-dia. Mazava, araka izany, fa dia hanava-tena indray i Andry Rajoelina sy ireo mpomba azy. Nisy teny amin’ny Panorama ny 31 jolay 2009, nialoha ireny dinika tany Maputo ireny, nisy teo Ambohitsorohitra sy Iavoloha, ny 2 sy 3 septambra 2009 rehefa nitsefotra ny Maputo II, dia teo indray ny tamin’ny 5,6,7 janoary 2010 rehefa nanapa-kevitra ny handeha irery ny ankolafy Rajoelina.

Tsy tafavoaka anefa, dia naniraka ny Médiature indray hamory ireo mpanao politika tao anatin’ilay hoe : “Conférences sur les élections” natao ny fiandohan’ny volana febroary 2010 dia nihazakazahana indray ny “Teny ifampierana” tamin’ny fiandohan’ny volana martsa 2010, raha nanomana ny fampihaonana ireo mpitarika ny ankolafy efatra tany Addis Abeba ny GIC. Sazy mihatra isam-batan’olona no niafarany, ka niisa 109 no voakasik’izany tao amin’ny FAT. Tsy nampiova azy ireo anefa izany, fa dia ny hanohy ny fitondrana taritokana hatrany ny azy. Dia nanao izao karazana sinema rehetra izao hisehoana fa milamina ary mifanome tanana ny mpanao politika eto Madagasikara. Dia nisy indray ny fiantsoana mpanao politika teny Iavoloha tamin’ny volana aogositra 2010 rehefa nanao pi-maso ny Escopol avy eo nitohy teny Ivato ka nisiana fanaovan-tsonia fifanarahana politika ny 13 aogositra 2010, mba hanaronana ny asa nankinin’ny SADC tamin’ny CNOSC izay tokony hamondrona ireo ankolafy politika samihafa hifampidinika an-databatra boribory.

Niaraha-nahalala ny tohiny. Nihazakazahana ny fanomezana toerana ireo nirangorango tamin’izany, mba hampanginana azy. Tetsy ankilany anefa dia vao mainka nitotongana ny fiainam-pirenena, niha lalina ny krizy, nirongatra ny asan-jiolahy, niakatra izay tsy izy ny vidim-piainana. Tsy noraharahain’ny firenena vahiny, eny fa na ireo firenena sakaiza aza ny lalàmpanorenana sy ny Repoblika faha-4 nimatimatesan’ny FAT. Roa taona eo amin’ny fitondrana ihany fa tsy mety mahazo fankatoavana iraisam-pirenena ny fitondran’i Andry Rajoelina, mihantona nanaraka izay koa ny fanampiana samihafa. Mitombo ny orinasa mikatona sy ireo Malagasy very asa. Ankehitriny anefa dia mbola mikiribiby hanohy ny efa nataony namotika firenena izay ny FAT, ka hanava-tena eny Ivato indray. Finiavan’i Andry Rajoelina io, hoy ny Dr Simao, tsy misy ifandraisany amin’ny asan’ny mpanelanelana vahiny.

 
Nangonin’i Jean D.
 

Sary : Fihaonan’ny mpiaradia amin’ny FAT teny Ivato nanaovana fifanarahana politika ny 13 aogositra 2010

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT