Politique

Ankolafy 3 Misy hitady hivily…


  • Alatsinainy 16 Mey 2011

Anisan’ny tanjon’ny Ankolafy 3 ny fiverenan’ireo nanao sesitany ny tenany any ivelany noho ny antony ara-politika, ny fivoahan’ireo gadra politika sy ny tetezamita iaraha-mitantana.

 Ankehitriny anefa dia misy ny siosion-dresaka fa tsy mitovy ny fomba fijery sy fitondrana ny tolona eo anivon’ireo mpitarika. Araka ny vaovao manko dia misy amin’ireo lohandohan’ny mpisorona eo anivon’ny ankolafy Zafy Albert no milaza sy mitolona ny tsy hiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana na dia ao anatin’ny tanjona aza, araka ny fanazavana teo ny famerenana ireo filoha roalahy dia Ratsiraka sy Ravalomanana. Ho azy ireo dia mila milamina aloha ny tetezamita vao mody ingahy Ravalomanana ary dia voizina eny amin’ny “villa Elizabeth” eny izany. Ho an’ny mpitari-tolona hafa anefa dia ny fodian-dRavalomanana eto an-tanindrazana no hampilamina ny toe-draharaha. Raha natao ny fanadihadiana tsotsotra dia ny ankamaroan’ireo vahoaka tonga manatrika ny fihaonan’ny Ankolafy 3 isan’andro dia mitaky ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana.

Tsy vitsy koa ireo tsy miteny fa miandry izay fiverenany izay. Porofon’izany ny zava-nisy teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny 19 febroary 2011, andro voatondro fa hody an-tanindrazana i Dada. Olona ana hetsiny, eny hatramin’ireo avy any amin’ny faritra aza dia tonga teto avokoa hitsena ny filoha ary manerana ny nosy ny fihetsehana nitaky ny fiverenany saingy noho ny famoretana ataon’ny FAT dia nilefy ivelany ihany izany. Araka izany dia misy mitady hampisavoritaka saim- bahoaka eo anivon’ireo mpitari-tolona sasany ka mitady hivoana amin’ny fifanarahana.
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT