Omaly tolakandro no tafaverina an-tanindrazana ary notsenain’ireo mpomba azy teny Ivato ny ampahany voalohany amin’ny delegasionin’ny ankolafy 3 nanatrika ny fivoriana tany Gaborone.
Anisan’izany Atoa sy Rtoa isany Zafy Albert, Mamy Rakotoarivelo Ramisandrazana, Emmanuel Rakotovahiny, Roland Ravatomanga sy ireo niara-dia tamin’izy ireoTsy mbola tafody kosa fa andrasana amin’ity anio ity na ho amin’ny rahampitso i Fetison Andrianirina, Ihanta Randriamandrato sy ny mpanao gazety sasantsasany afaka niatrika ity fihaonana tany Gaborone ity. Raha araka ny fanambarana teny Ivato sy teny Behoririka omaly dia fantatra fa hisy ny fotoan-dehibe iarahan’ny ankolafy telo amin’ity anio ity eny amin’ny Magro Behoririka ka hisy ny fanazavana ny zava-nitranga tany Gaborone nandritra ny roa andro sy ny fanambarana iarahan’ny ankolafy 3. Hitarika ny delegasiona hiatrika ny mpiara-mitolona eny amin’ny Magro amin’ity anio ity ny Profesora Zafy Albert raha araka ny fandaharam-potoana ihany.
Ny Pr Zafy Albert raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety dia nanamarika fa tsy nisy sori-dalana nodinihana na nosoniavina izany tany Gaborone fa fakan-kevitra no natao ary anjaran’ny Sadc no mamoaka fehin-kevitra amin’ny sabotsy 11 jona ho avy izao. Nanamafy izany Atoa Emmanuel Rakotovahiny ka nilaza fa tsy nisy fanekena ny sori-dalana natao rangopohy tamin’ny 9 martsa izany mihitsy tany Gaborone fa miandry am-pitoniana ny fanambarana ofisialy ataon’ny Sadc amin’ny sabotsy izao ny rehetra. I Mamy Rakotorarivelo avy amin’ny ankolafy Ravalomanana kosa dia nanipika fa nilaina ny nisian’io fivoriana tany Gaborone io ary ao anatin’ny fifampiraharahana tanteraka ny ankolafy Ravalomanana. Tsy dia nisy olana firy tamin’ity fihaonana ity, araka ny filazany, ary nohamafisiny fa tsy nisy sonia ary mazava fa tsy misy manana tombony amin’izao krizy lavareny izao. Mahatoky isika, hoy ity mpitarika ny delegasionin’ny ankolafy Ravalomanana ity fa tsy ho ela dia hifarana izao krizy izao, ary hisy ny fanapahan-kevitra hendry horaisin’ny Sadc amin’ny sabotsy ho avy izao. Iizy moa dia anisan’ireo mieritreritra fa tokony hosoloina ny praiminisitra fa tsy mety raha ny jeneraly Camille Vital no mipetraka eo.
Tsara homarihana ihany fa somary nanafosafo ny zava-nisy sy nitranga tany Gaborone ihany ny FAT sy Andry Rajoelina ary miezaka ny mandresy lahatra ny olona fa nekena ny sori-dalana ka tsy maintsy ampiharina ary fombafomba ihany sisa no atao any Sandton Afrika Atsimo amin’ny sabotsy ho avy izao. Mazava tsara anefa ny nambaran’ny Sadc fa tsy maintsy mandray anjara mivantana amin’ny dingana rehetra hikaroham-bahaolana sy ny fandrafetana ny rafitra ao anatin’ny fitondrana tetezamita Atoa isany Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana, izay samy afaka mody an-kalalahana eto an-tanindrazana. Ary manampy izay dia mila mametra-pialana enim-bolana mialoha ny fifidianana filoham-pirenena i Andry Rajoelina.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.