Vao maraina dia efa nanao rodobe teny Ankatso, niatrana taty am-pidirana amin’ny ilany andrefana amin’ny faritry ny oniversite ny miaramilan’ny Emmo-Reg, omaly.
Mety ho nahazo vaovao tsy mampandrimandry ny mpitsikilon’izy ireo. Toa io toe-javatra io anefa no vao mainka nampirongatra ny mpianatra teny Ankatso. Velona ny kiririoka, marika fa mifampitaona ny mpianatra ao anatiny ao. Nihidy ny vavahady miditra an’Ankatso. Rehefa izay, dia nitety toeram-pianarana sy birao mivoha izy ireo. Nihazo ny biraon’ny filohan’ny oniversite, hanamafy amin’ity farany fa mila mianatra ny mpianatra, ka mitaky ny hamoahana ny datin’andro mazava hanombohan’ny taom-pianarana. Tsy tao anefa ny filohan’ny oniversite. “Rehefa izay, dia tsy misy miasa !”, hoy ireo mpianatra. Nihazo ny sampandraharaha mpizara ny taratasy fisoratana anarana, sady misahana ny fizarana vatsim-pianarana, ireo mpianatra ary nampanidy ny trano ary nitaona ny mpiasa tao hanatevina ny hetsika ataon’izy ireo.
Nilanja sorabaventy ireo mpanao fihetsiketsehana tamin’izany, mitaky ny hamahana haingana ny olan’ny mpampianany fa efa te hianatra alohan’ny 16 mey izy ireo, miampy ny hanomezana vatsim-pianarana, volana faha-10. Ry zareo ao amin’ny SECES, moa nanamafy fa raha tsy efan’ny fanjakana ny anjara andraikiny tsy hiroso amin’ny fifampidinihana miaraka amin’ny filohan’ireo onivesite enina sy ny minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony hamaritana ny fanombohan’ny taom-pianarana 2011 izy ireo. Nanatevin-daharana ity hetsika teny Ankatso omaly ity ny mpianatry ny Polytechnique Vontovorona.
Raha eo amin’ny Esplanade Ankatso no ambohipihaonana ifampitan’ireo samy mpianatra vaovao sy anaovany fitakiana, dia nanapa-kevitra ny hivoaka ny faritry ny oniversite izy ireo omaly ka nidina hatrao amin’ny toby fiantsonan’ny fiara Taxibe. Efa niatrana am-basy nibahana ny arabe tsy hahafahan’ireto mpianatra ireto manitatra ny dia mihazo ny afovoan-tanàna anefa ny miaramilan’ny Emmo-Reg. Hita ho nifampiandriandry ny andaniny sy ny ankilany. Nony hariva dia nifamory tao Ankatso ny mpianatra. Nandeha mantsy ny feo fa mety hisy fisamborana. Na izany aza dia milaza ny hanohy ny hetsika hatrany ireo mpianatra, mandra-pisy valiny ny fitakiana ataon’izy ireo.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.