Politique

Andry Rajoelina Tsy miova ny governemanta, afaka mody Ratsiraka


  • Alakamisy 09 Jona 2011

Nigadona teny Ivato tamin’ny 5 ora tolakandro mahery kely ny fiaramanidina manokana nitondra ny filohan’ny FAT Andry Nirina Rajoelina, izay anisan’ireo filohan’ankolafy niatrika ny fivoriana nandritra ny 2 andro tany Gaborone-Botswana.

 Nisy ny tafa fohy nifanaovany tamin’ny mpanao gazety ka nanambarany fa tsy hisy akory ny fanovana ny governemanta satria tsy nisy fifampidinihana sy adihevitra ny amin’izany natao tany Gaborone. Nambarany ihany koa fa resaka momba ny sori-dalana sy ny fifidianana no noresahana tany Gaborone ka ireo rehetra izay nandray anjara tamin’ny dinika tany dia tokony hanazava izany tsy misy fanovana sy fanitarana amin’ny vahoaka ireo mpanao politika nivory tany Gaborone.

Raha nanontaniana ny momba ny fiverenana an-tanindrazan’ireo filoha mirahalahy teo aloha ny filohan’ny FAT dia nilaza fa tsy misy olana mihitsy ny fidirian’Atoa Didier Ratsiraka eto Madagasikara fa tokony hijanona amin’ny maha amiraly misotro ronono azy izy fa tsy hiditra amin’ny resaka politika. Ho an’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana kosa dia manjavozavo ny valin-tenin’ny filohan’ny FAT satria nambarany fa tsy fotoan’ny adihevitra izao ! Sanganehana ihany ny mpanao gazety nanoloana io valin-teny io ary nahatsikaritra sy nahatsapa koa anefa fa mbola misy zavatra tsy mazava ao. Hafahafa ihany ny zava-misy satria, omaly antoandro raha niditra mivantana tao amin’ny foiben’ny ankolafy Ravalomanana tao Bel’Air Atoa Marc Ravalomanana dia nilaza fa tsy maintsy mody eto  Madagasikara izy tsy ho ela. Koa mipetraka ary eto ny fanontaniana hoe : inona indray no fepetra mety ho raisin’ny FAT hanakanana ny fiverenan’ity filoha teo aloha ity, izay tena tapa-kevitra fa tsy maintsy hiverina an-tanindrazana izy ?

 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT