Politique

Andry Rajoelina sy ny FAT Nofaizin’ny Parlemanta Eoropeanina


  • Zoma 10 Jona 2011

Raha mbola mieritreritra izay ho fanapahan-keviny momba an’i Madagasikara ny SADC, izay hivory atsy Sandton Afrika Atsimo rahampitso sabotsy 11 jona, dia ny an’ny Parlemanta Eoropeanina no tonga aloha.

 Nofaizin’ny Parlemanta Eoropeanina mihitsy ny FAT nandritra ny fivoriana tao Strasbourg, omaly 09 jona ka namoahany fehin-kevitra misy andininy miisa 17 be izao mikasika an’i Madagasikara, izay mifototra amin’ny fifanarahan’i Cotonou sy ireo fanapahan-kevitra rehetra nitranga teo anelanelan’ny 17 martsa 2009 sy ny tatsy Gaborone farany ireo. Manamafy izy ireo fa sady tsy ankatoavin’ny Vondrona Eoropeanina no tsy ankasitrahan’ny GIC ny fitondran’i Andry Rajoelina ary manameloka ireo fanitsakisahana ny zon’olombelona sy ny hery famoretana ataon’ny miaramila amin’ny vahoaka. Eo anatrehan’izany dia mitaky ny hanokafana fanadihadiana mahaleotena, ka hitondrana eo anatrehan’ny fitsarana izay tompon’antoka amin’izany izy ireo. Miantso ny hanafoanana ireo milisy mitam-basy ihany koa ny Parlemanta Eoropeanina, mba hahafahana mamerina amin’ny laoniny indray ny maha tany tan-dalàna an’i Madagasikara.

Etsy ankilan’izay dia hentitra ny fitakian’izy ireo ny hamoahana tsy misy hatak’andro ireo gadra politika, toy izany koa ny hiverenan’ireo sesitany politika rehetra sy ireo mpitondra taloha, am-pilaminana eto an-tanindrazana tsy misy fepetra ireo. Manipika mazava ao amin’ity fehin-keviny mikasika an’i Madagasikara ity ny Parlemanta eoropeanina fa mba hampadio sy mangarahara ary mba ho azo antoka ny fifidianana dia tsy maintsy handray anjara malalaka amin’izany ny rehetra, toy izany koa ny fampiasana ny haino aman-jery. Hentitra ireo depiote eoropeanina nilaza fa lavin’izy ireo ny hamelana ny mpanongam-panjaka hikarakara fifidianana filoham-pirenena ho avy eo. Mitazona an’i Andry Rajoelina amin’ny teniny izay nilaza fa tsy hirotsaka hofidiana, koa izy ireo. Avelao ny vahoaka hifidy malalaka izay olona tiany hitondra azy, hoy hatrany ny Parlemanta eoropeanina. Nanamafy ny fitakiany ny hananganana ilay tena tetezamita tenierana ary tsy manavaka izy ireo, ary koa mitaky asa mazava hampitsarahana ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena malagasy.

Ankoatra izay ireto farany dia miantso ny Vondrona eoropeanina sy ny filankevi-pilaminana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina hanamafy ny sazy nampiharina tamin’ireo mpanongam-panjakana eto Madagasikara, ka tsy hanome «visa» azy ireo, mandra-pahita ny tena vahaolana. Nandefa ity fehin-keviny ity any amin’ny SADC ny Parlemanta eoropeanina, izay tsy nanafina fa diso fanantenana tamin’ny tsy nahombiazan’ny dinika tatsy Gaborone farany teo, ka mitaky ny paika hentitra avy amin’ny mpanelanelana hialana amin’izao fikatsoan-draharaha izao, ary maniry ny hahombiazan’ny fikatsaham-bahaolana hataon’ny SADC amin’ny 11 jona io, hamahana ny krizy eto.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT