Miely amin’ny tranonkala ny vaovao fa dia manakarama Amerikanina koa ankehitriny i Andry Rajoelina, hanampy azy amin’ny fandresen-dahatra ataony, hahazoana fanampiana iraisam-pirenena, indrindra ara-bola.
Alex St James, no anaran’ilay Amerikanina nalaina hanampy handresy lahatra ity. Filoha lefitry ny United States Friendship & Economic Development Group (US FED) izy io. Dimy hetsy sy iray tapitrisa dolara na telo miliara ariary isan-taona no karamany. Ny volana mey 2011 teo no voasonia ny fifanarahana ho amin’izany, araka ny vaovao. Raha ny fantatra dia akaiky ny fanjakana amerikanina satria mpiray ombon’antoka amin’ny banky Exim ity vondron’orinasa ity. Raha ny voarakitr’ilay fifanarahana dia volam-panjakana Malagasy no andoavana ny lany rehetra, toy ny saran-dalana sy ny hofan’ny hotely hipetrahan’ireo vahiny avy amin’ny US Fed amin’ny asa rehetra hosahaniny, ny famerenana amin’ny laoniny ny fandraharahana ara-barotra eo amin’i Etazonia sy Madagasikara. Araka ny fanazavana dia hanao “lobbying” na handresy lahatra eo anivon’ny Kongresy sy ny mpiasam-panjakana amerikanina amin’ny anaran’i Madagasikara ny US Fed
. Izany hoe hanomana fivoriana iarahan’ny governemanta Malagasy sy ireo tompon’andraikitra amerikanina. Raha ny vaovao ihany dia an-dalam-pananomanana fitsidihan’ireo tompon’andraikitra vahiny ireo aty Antananarivo ny US Fed hahafahana manao tombana ny zavatra ilain’i Madagasikara. Ankoatra izay dia hifampidinika amin’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Millennium Challenge Corporation (MCC) handresy lahatra azy ireo hamerina ny fanampiana ara-toekaren’i Madagasikara ihany koa ny US Fed. Manamarina izany ity vaovao ity fa dia mila fanampiana ara-bola avy any ivelany i Madagasikara fa tsy araka ny resabe ataon’ny FAT ankehitriny fa tsy ilaina izany. Manaporofo ihany koa fa tsy afa-miala amin’ny bekintana isika na koa amin’ireo mpamatsy vola mahazatra na dia teo aza ireo vavabe nataon’ny filohan’ny FAT sy ny mpiara-dia aminy.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.