Sahy nanambara ary tsy nisalasala nanakiana ny Amerikanina, izay namoaka fanambarana mikasika ny fanosihosen’izao fitondrana FAT izao ny zon’olombelona tao anatin’izay roa taona izay, i Andry Rajoelina omaly.
“Raha ny fijery iny fanambaran’ny Amerikanina farany teo iny dia hita tokoa fa tena tsy mahita ny zava-misy eto Madagasikara ry zareo noho ny halaviran’ireo firenena roa. Mifandiso tanteraka amin’ny hita maso eto Madagasikara ny tatitra ataon’izy ireo”, raha ny filazan’i Andry Rajoelina, nanoloana ny mpanao gazety. Efa ela loatra tokoa angamba ka hadinony fa 24 volana am-ponja tsy mitsara anie izao Ralitera Andrianandraina, talen’ny fiarovana tao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana sy ireo iray dosie aminy.
Mbola nolazain’ny filohan’ny FAT koa aza fa malalaka tanteraka ny demokrasia sy ny asa fanaovan-gazety eto amintsika. “Ianareo mpanao gazety ihany dia afaka mijoro vavolombelona fa tsy misy fanapenam-bava mihitsy eto Madagasikara nandritry ny fitondrana tetezamita”, hoy ny tenany. Asa raha mba fantany ny fisian’ny mpanao gazety nigadra, tsy iray tsy roa fa maro, ny fanakatonana ireo haino aman-jery toy ny radio Fahazavana, Radio Fototra, MBS, Radio Mada raha tsy hitanisa afa tsy ireo, ny fanapenam-bava isaky ny mandeha avy amin’ny “mise en demeure”... Ny Amerikanina aza dia nasainy mihitsy mba ho avy eto an-toerana hijery ny zava-misy.
Mampanontany tena ihany ny toy izany ary toa fanambaniana ny ambasady amerikanina etsy Andranomena, izay manara-maso isa-minitra ny fivoaran’ny raharaham-pirenena eto. Mbola nasian’i Andry Rajoelina teny ihany koa ilay taratasy nalefan’i Albert Zafy aminy, izay trakta moa no nandraisany azy, ka nilazany fa mampalahelo raha Raiamandreny be toy ireny no mbola manao toy izao. Fanehoan-kevitra izay hita fa nahazo tatitra vilana ary heverina ho tsy maharaka na minia mikipy manoloana ny raharaha anatin’i Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.