«Mbola tetezamita fa efa betsaka ny asa vitantsika, efa maro ny tetikasantsika hatomboka. Niaiky antsika koa ny Banky Iraisam-pirenena nandritra ny tatitra nataony fa vofehintsika ny volam-panjakana noho ny fitsitsiana sy ny fanaraha-maso natao, mainka izany raha tsy tetezamita. Ho hitantsika tsy ho ela ny tohiny».
Anisan’ny teny nambaran’i Andry Rajoelina, tao Toamasina io, ny sabotsy teo. Maro no nandika sahady na natao ankolaka aza ny fomba filazany fa efa manao fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny filohan’ny FAT. Nambaran’i Andry Rajoelina ampahibemaso tamin’io andro io koa fa «tsy maintsy hovitaina amin’ity taona ity avokoa ny fifidianana rehetra». Ireo rehetra ireo dia mbola nampian’ny filohan’ny Kongresy, Raharinaivo Andrianatoandro, fa «ireo mpanenjika dia tsy maintsy aoriana foana, na betsaka aza ny sakana dia ho avy tsy ho ela ny fankatoavana iraisam-pirenena, ary tsy maintsy ho vita ny fifidianana hialana amin’izao krizy izao». Nohamafisin’ny filohan’ny FAT izany ka nilazany fa «te-hiasa aho fa be ny mpanakantsakana noho ny ady seza sy ny sakana ara-politika.
Aleo ho hitan’ny havany eo ireo tsy te-hiasa ireo, fa iny lalana iny na sarotra aza tsy maintsy tratra». Tamin’izao dia nataon’ny filohan’ny FAT mivady tao Toamasina izao, no nametrahany ny vatofehizoron’ny fanamboarana hopitaly eo an-tokotanin’ny Magro Morafeno. Tanteraka izany 13 herinandro aty aorian’ny 13 novambra 2010, izay nilazan’i Andry Rajoelina fa «teo aloha dia nataon-dry zalahy fitadiavana harena ho azy manokana ity toerana ity, ankehitriny kosa ampiasaintsika ho tombontsoam-bahoaka izany amin’ny fananganana hopitaly manara-penitra». Misy koa ny fikasana ny hanganana ny «Cité Fitiavana» izay hisy trano 500 eo an-tokotanin’ny Seimad sy tanin’ny Jenia miaramila ary ny fitokanana ny tranon’ny RNM sy ny TVM Toamasina izay efa naorina ny taona 2008. Ankoatra izay, dia efa vonona ny hiram-pifidianana ny filohan’ny FAT «Mahavita azy».
I Jerry Marcoss no namorona azy tahaka ireo filoham-pirenena roa teo aloha namoronany hira, dia ny Amiraly Ratsiraka nisian’ny «Werawera» ny taona 2001, ary ny filoha Ravalomanana namoronany ny «Samy mafoaka» ny taona 2006. Fa nandritra ny fotoan’ny kabarin’ny filohan’ny FAT dia tsy nitsahatra ny hiakiakan’ny olona milaza fa «lafo loatra ny vibim-bary e !». Tsy nahita navaly i Andry Rajoelina fa tampoka taminy ilay hiaka, ka nilaza tsy satry fa «tsy hamela ny Malagasy ho noana aho” ary nampanantena fa afaka folo andro dia hiverina hitondra vary mora ?! Ny «perquisition» atao amin’ireo mpamongady vary ao Toamasina nefa mitohy, ary miankina amin’ny vokatr’izany no hanaovana «ordonnance de réquisition» mety hahazoana ity vary mora ampanantenain’ny FAT fa ho avy afaka folo andro ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.