Politique

Andry Rajoelina Mamono afo sisa


  • Alakamisy 28 Aprily 2011

Nidina tampoka teny Ankatso II i Andry Rajoelina omaly tolakandro, nijery ny fahavitan’ny trano vaovao roa tetikasan’ny fitondrana Ravalomanana, hanampy ny fonenan’ny mpianatra natao teny.

Nialany ny andro maraina nisian’ny fihetsiketsehan’ny mpianatra ho mpitsabo mitaky ny tokony hidiran’ny mpianatra, na dia nanao fangala-piery tamin’ny mpianatra sy mpampianatra teny Ankatso aza, folo volana lasa izay, tamin’ny fotoana nametrahana ny vatofehizoron’ireo trano vaovao ireo. Mazava fa raha tonga teny ny filohan’ny FAT dia tsy maintsy hanan-kambara, koa dia nohararaotiny ny fotoana nanomezany toky ny tanoran’Ambohitsaina sy ireo vao hiakatra eny, fa tsy hisy taona fotsy izany amin’ity ary hefaina mialoha ny vola telo volana ilaina amin’ny fampandehanan-draharaha sy ny tambin-karaman’ny mpampianatra ary ny vatsim-pianaran’ny mpianatra.

Mazava loatra fa fampitoniana ireo tanora mitady hisendaotra sy ireo mpampianatry ny SECES izay mbola nanamafy fa tsy hiditra ny taom-pianarana vaovao raha tsy an-tanana ny vola telo volana hampandehanan-draharaha izao. Karazany famonoana afo ihany ity dia teny Ankatso omaly ity, satria antomotra ny volana mey, volan’ny fitakiana sendikaly. Raha mahita vola hampihodinana ny oniversite ihany naninona no nandrasana aty amin’ny faran’ny volana aprily vao nambara izany nefa efa tamin’ny febroary no tokony niditra ny mpianatra, raha tsy fiomanana amin’ny fifidianana ho avy koa izao fihetsika manao pi-maso amin’ny tanora izao ? Ho avy ato anatin’ny herinandro koa, araka ny nambaran’i Andry Rajoelina, tamin’ny fiverenany avy any Namibia sy Mozambika, ny fanitarana ny mpikambana ao amin’ny Kongresy sy Filankevitra ambonin’ny tetezamita mba hampanginana ireo be tabataba mitady seza, mialoha ny hivorian’ny SADC amin’ny 20 mey, hisehoana fa milamina ny tanàna.

Milaza ny hihazo an’i Afrika Atsimo ny filohan’ny FAT anio, hanohy ny fihaonana amin’ireo filoham-pirenena afrikanina, handresy lahatra azy ireo fa efa nahavita dingana ny fitondrany, efa nanao fitsapan-kevi-bahoaka tamin’ny 17 novambra 2010 ary manana lalàmpanorenana vaovao i Madagasikara. Vita rangopohy ary ampiharina ny sori-dalana, ka mila fanohanana ny fitondrany hanatanterahana ny fifidianana. Ho tanteraka amin’ity diany ity ve ny fampihaonana azy mivantana amin’ny filoha Marc Ravalomanana, araka ny irin’ny Troika sy ny lehiben’ny mpanelanelana, hanamorana ny fitadiavana vahaolana iombonana hamaranana ny krizy ? Fa mialoha ity diany ity, nilaza i Andry Rajoelina omaly fa avy nitady fiaraha-miasa tany Qatar tany, indrindra amin’ny famatsiana solika. Baomba miafina mety hipoaka tampoka ka hampikorontana koa mantsy ny fiakaran’ny vidin-tsolika, ka nambarany io na ho any na tsy ho any.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT