Nikabary nandritra ny minitra fohy tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina, ny alahady 06 martsa alina. Fisehoana voalohany nataony io taorian’ny zava-nitranga teny Marais Masay ny alakamisy 03 martsa. Tsy nisy zava-baovao ny nambarany fa dia namerina ireo efa voalaza hatramin’izay roa taona naha teo amin’ny fitondrana azy izay no nataony ka nilazany fa “efa nanapa-kevitra ny Vahoaka Malagasy Masimandidy, Efa tafajoro ny Repoblika fahefatra. Hiroso haingana isika satria na ahoana, na ahoana dia tsy maintsy faranana haingana ny Tetezamita. Ny adidy tsy an'olon-dratsy, ary matoa mbola tafajoro toy izao isika ry Malagasy dia nomen'Andriamanitra andraikitra hanarina sy hanavotra ary hampandroso ity Nosintsika ity.
Vao tamin'ny Alarobia teo ny Antoko politika maro an'isa no nanapa-kevitra ny tsy maintsy hamitana ny fifidianana solombavambahoaka sy filoham-pirenena amin'ity taona ity, koa dia hiroso isika satria isika tsy naman'izay mihemotra”. Tsy misy azo raisina, hoy ny fanehoan-kevitr’ireo tratra antso avy amin’ny Ankolafy telo. Toa vao mainka indray aza niteraka fisavorovoroan-tsaina tamin’ny mpomba ny FAT ny zava-boalazany. Hiala ao anatin’ny fifampidinihana iarahan’ny SADC ho fahamahana ny krizy ve izany i Andry Rajoelina ? Handeha irery toy ny nataony tao anatin’izay roa taona izay ve ity “hiroso isika” ity ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.