Politique

Andry Rajoelina Hamitram-pihavanana amin’ny Sud Est


  • Alakamisy 24 Febroary 2011

Ho any amin’ny faritra atsimo atsinanan’ny nosy iny i Andry Rajoelina anio raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita. Ho any Vohipeno, Farafangana, Vangaindrano, mety handalo Manakara koa anefa.

Ny anton’ny diany dia hitsidika ireo tanàna izay tena voa mafy nandritry ny rivodoza teo. Raha izay tokoa dia heverina fa izay vao taitra ny anao lahy manoloana ny zava-misy any amin’ny faritra hafa. Variana loatra amin’ny politika eto an-drenivohitra, hany ka hadino hatramin’ny Malagasy an-tapitrisany misedra fahasahiranana any amin’ny Faritra any. Ny tena ilaina anefa rehefa misy loza mitranga toy ireny dia mba farafahaingany dia tonga eny amin’ny toerana nitrangan’izany na dia mitsapa alahelo sy manala ny hakivian’ny hafa fotsiny aza.

Tsara marihina fa anisan’ny rivodoza nahafaty olona be tokoa satria tafakatra 15 ny namoy ny ainy ary an’arivony ny tsy manan-kialofana ilay rivodoza Bingiza farany teo. Nitaraina ny olona kanefa tsy hita mivaingana izay tena fanampiana avy amin’ny fanjakana. Mbola ny miaramila ihany no nampihantaina tetsy amin’ny RTS ary ny fanenjehana ny onjam-peo piraty no laharam-pahamehana. Izao vao malaladalaka ka hidina any atsimo mba hamangy ny vahoaka.

Tsy efa naman’ny dokotera aorian’ny fahafatesana ihany ve ? Mihevitra kosa anefa ny maro fa manararaotra ny dona mahazo ny Tatsimo Atsinanana i Andry Rajoelina hidinana any, mba hamitranam-pihavanana (?) satria ho sarotra ho azy ny nisedra ny fanakianana politika any an-toerana taorian’ny nitanana am-ponja any Tsiafahy an’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina noho ny raharaha BANI sy ny nanilihana ny ministra Noelson William teo anivon’ny governemanta. Samy zanak’iny Faritra iny anefa izy roalahy ireto.

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT