Politique

Andry Rajoelina any Istanbul Mihantsy ny SADC sy ny Vondrona Afrikanina


  • Alatsinainy 09 Mey 2011

Any Istanbul renivohitr’i Torkia hatry ny omaly alahady 08 mey i Andry Rajoelina, rehefa nijanona nandamin-draharaha tao Parisy Frantsa ny sabotsy.

 Miara-dia aminy any i Dolin Rasolosoa, filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita sy Raharinaivo Andrianatoandro, filohan’ny Kongresy ary ny minisitra isany Rinarisoa Irène Eva, (varotra) sy Rahajason Harry Laurent (serasera). Hiatrika ny fihaonana faha-4 ireo tany mahantra indrindra maneran-tany, karakarain’ny Firenena Mikambana, no anton-dian’izy ireo any, araka ny fanasan-dry zareo Tiorka. Fahasahiana politika lehibe izay toa miendrika fihantsiana no ataon’i Andry Rajoelina amin’izao diany any ivelan’i Madagasikara izao, tsy resahina intsony ny fandaniana ateraky ny fivoahana nisesy nataon’izy ireo hatramin’ny 18 aprily no ho nankaty. Andaniny, fihatsiana ny SADC sy Vondrona Afrikanina izay namoaka sazy, ny volana martsa 2010, ho an’ireo mpitondra ny FAT, miisa 109, tsy ho afaka hivoaka an’i Madagasikara sy tsy handray anjara amin’ny fivoriana iraisam-pirenena. Ankilany, fihantsiana ny mpanohitra eto an-toerana koa, fa amin’izao diany izao dia te haneho eo imason’izao tontolo izao i Andry Rajoelina fa milamina eto Madagasikara.

Toy izany koa ny ao amin’ny Kongresy, na eo aza izany fanangonan-tsonia fanonganana an-dRaharinaivo izany, dia toy ny tsy misy satria milamin-tsaina ity farany lasa any Istanbul. Amin’ny lafiny iray koa anefa dia fahasahiana ihany ny nandehanan’i Andry Rajoelina amina fihaonana toy itony izay tsy nanokana lahadinika momba famahana ny krizy eto Madagasikara akory. Tsaroana etoana mantsy ny fanapahan-keviny tsy niatrika ny fivoriambe faha-64 ny Firenena Mikambana tany New York tamin’ny septambra 2010, na dia nambara aza fa voaasa ho amin’izany ny tenany, fa hoe mbola misy raharaha manahirana sahaniny eto Madagasikara, ka nandefasany ny minisitry ny raharaham-bahiny, Ramaroson Hippolyte. Te haneho ve izany i Andry Rajoelina ankehitriny fa efa milamina ny eto ka dia afaka miatrika fivoriana iraisam-pirenena samihafa ny tenany. Mandamina ity diany any Istanbul ity ny ambasadaoro, Zina Randrianarivelo Razafy sy Rajemison Rakotomaharo. Araka ny fantatra dia hifandimby hihaonan’i Andry Rajoelina ao Frantsa amin’ny alakamisy izao ny minisitry ny raharaham-bahiny frantsay, Alain Juppé sy ny sekretera jeneralin’ny frankôfônia, Abdou Diouf.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT