Raha tsy misy ny fiovana dia handao an’i Madagasikara anio ka hiondrana atsy amin’ny Nosy Komoro ny filohan’ny FAT, Andry Nirina Rajoelina.
Somary manaitra ny maro ihany ny fahafantarana ity fitsidihana tampotampoka ity satria mitovitovy amintsika ihany ary mety any aoriantsika aza ity Nosy rahavavy ity raha ny lanja ara-politika aty amin’ny ranomasimbe Indianina sy ny kaontinanta Afrikanina no jerena. Efa nandalo teto amintsika ihany moa ny filoha Komorianina, Ahmed Abdallah Mohamed Sambi, rehefa nangataka alalana manokana avy any amin’ny vondrona Afrikanina, ary nilaza fa vonona ny hifanampy amin’i Madagasikara amin’ny famahana ny krizy (hono). Tsy dia hita loatra anefa ny vokatr’izany hatramin’izao. Natao ny tsy hiteny fa lasa ihany ny fisainana, hoy ny mpanara-baovao politika iray momba ity fahazotoan’ny FAT mandeha any Komoro ity.
Misy ifandraisany tamin’ilay raharaha “bois de rose” nampihazakazaka ny praiminisitra Vital sy ireo minisitra maromaro nankany Kaomoro tamin’ny taon-dasa ve izao raharaha izao ? Misy fifanarahana miafina hafahafa indray ve eto amin’ny mpitondra ny firenena roa tonta ? Nitranga taorian’ny fitsidihan’ilay minisitry ny fitaterana kaomôriana teo amintsika koa izao dian’i Andry Rajoelina izao. Ity minisitra ity moa dia nilaza fa hanao izay tratry ny heriny amin’ny fanampiana ny Air Madagascar ka hanalana ny sazy mihatra aminy. Mamofompofona zavatra hafahafa ity dian’ny filohan’ny FAT any Komoro mety hitranga anio ity satria raha ny tena marina dia ny nosy Komoro no mila fanampiana amin’i Madagasikara fa tsy ny mifanohitra amin’izay mihitsy no tokony hitranga.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.