Politique

Andriankinana Tsialofana F3M Alentika amin’ny fomba rehetra


  • Zoma 01 Aprily 2011

Atao avokoa izay fomba rehetra hanimbana sy hanapotehana ny tolon’ny mpiasam-panjakana. Anisan’ny paikady ampiasain’ny FAT ny fikendrena ireo mpitari-tolona. Namoahana naoty mandefa azy hiasa maika any amin’ny hopitaliben’Antsiranana i Andriankinana Tsialofana izay mpitari-tolona ao amin’ny F3M.

Ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Fahasalamana mihitsy no nanao sonia io naoty io tamin’ny 23 febroary lasa teo. Nahazo naoty mitovy amin’io koa ny vady andefimandriny izay Paramed mitovy aminy ihany. Amin’ny sehatry ny asam-panjakana mantsy dia tsy maintsy manaraka ny vadiny ramatoa rehefa misy ny fifindran-toerana. Tsy manan-kery eo anatrehan’ny lalàna anefa ity fandefasana an’i Tsialofana hiasa any Antsiranana ity satria araka ny naoty ampitaina amin’ny sampandraharaham-panjakana rehetra nosoniavin’ny praiministra Camille Vital ny 11 febroary 2011 izay mbola nohamafisina ny 11 martsa 2011 koa dia tsy maintsy amin’ny alalan’ny “décision réglementaire” raisin’ny lehibe na koa amin’ny alalan’ny didim-panjakana raisina eo anivon’ny filankevitry ny ministra ihany no azo anaovana fifindran-toerana mpiasam-panjakana.

Raha ny loharanom-baovao akaiky ity raharaha ity eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamana dia tsy manaiky lembenana ny sekretera jeneraly fa mitady hirika hafa indray, izay mety hitatra any amin’ny fanapahana ny karaman’i Tsialofana noho ity farany tsy mbola namonjy ilay andraikiny vaovao. Milaza ny F3M fa tsy mitombina ny antony anaovana ilay famindran-toerana an’ity mpitarika ny tolona sendikaly ity. Manampahaizana momba ny otra na “kinesithérapeute” moa i Tsialofana kanefa efa misy “kiné” enina miasa ao amin’ny hopitaliben’Antsiranana. Noho ny hamaron’ny isan’ireo mpiasa efa am-perinasa any an-toerana ireo aza dia voatery manao asa hafa ny roa amin’izy ireo. Izany hoe tsy misy antony tokony hilana an’i Tsialofana intsony any Antsiranana saingy manelingelina ny tenany ka saziana.

Fa ankoatra io dia mitombo ny asan’ireo mpitsabo mpanampy roa sisa eny amin’ny hopitalin’i Fenoarivo rehefa nilaozan’ny vadin’i Tsialofana. Voatery miasa 24 ora tsy ankiato mifandimby izy mirahavavy ary tsy maintsy miasa raha sendra marary na koa manana olana tsy ahafahany mamonjy asa ny iray. Mahafantatra tsara ity raharaha ity ny ministra izay efa nihaona mivantana tamin’i Tsialofana. Andrasana izay ho fanapahan-keviny.

 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT