Politique

Andriamiseza sy Tehindrazanarivelo Manalavitra azy ireo ny sezan’ny governemanta …


  • Alakamisy 27 Janoary 2011

Niara-niditra tao amin’ny governemanta Roindefo, endrika faharoa, nambara fa governemanta repoblikana ny 08 septambra 2009 i Alain Andriamiseza (MCDM) sy i Alain Tehindrazanarivelo (ENINA).

Legalista nidina an-dalambe nitaky ny hamerenana ny ara-dalàna itsy voalohany no nandondom-baravarana tao Ambohitsorohitra fa vonona hiara-dia, hamadika ny (pejy) palitao ka dia nanankinana ny fitantanana ny ministeran’ny jono sy ny harena an-dranomasina, ho valim-pitia. Ilay faharoa indray dia zanaka ampielezana avy any andafy any, no nantsoina hanatevin-daharana ary dia natao praiministra lefitra misahana ny fahasalamana. Rehefa tonga tao izy dia niketrika ary nanangana ny antoko ENINA. Nanaiky ny hanohy ka niara-niasa tamin’i Camille Vital izy roalahy ireo, ary nitazona ny sezany hatrany rehefa voailika i Monja Roindefo ny volana oktobra 2009, taorian’ny nilazan’i Gilbert Raharizatovo, mpitondra tenin’izy 31 mpikambana tao amin’ny governemanta tamin’izany, fa tsy handray baiko intsony avy amin’i Monja Roindefo.

Zavatra tsy mbola nisy teto amin’ny tantaran’ny fanjakana Malagasy izany. Niara-voailika tao anatin’ny governemanta Camille Vital indray ireto Alain roalahy ireto, ny 24 mey 2010. Nitsingevaheva teny, avy eo niketrika tao anatin’ny Escopol dia nampiasa izany nisehoana tetsy sy teroa, nandraisana anjara tanaty dinika politika samihafa, niainga avy etsy amin’ny Black&Rouge Ambatonakanga, nandalo tao amin’ny Avana hotel Ambohidahy, nitohy teny Iavoloha sy Ivato, nandalo an’i Vontovorona … ka nahazoan’izy ireo seza tao amin’ny Fahefana avon’ny tetezamita, misy azy ireo ankehitriny. Raha re tao anatin’ireo anarana mety ho praiministry ny marimaritra iraisana i Alain Tehindrazanarivelo teo am-piandohana dia miha manjavona izany ankehitriny.

Tsy mamaly ny filana rahateo izy roalahy ireo noho izy ireo fantatra fa niandany, tamin’ny efa naneken’izy ireo notendrena in-droa miantoana tao anatin’ny governemantan’ny Fahefana avon’ny tetezamita, izay mety mahazo fankatoavana iraisam-pirenena mandrak’ity ny anio. Koa dia miha manalavitra azy ireo andro aman’alina ny sezan’ny governemanta raha hijoro eo. Ahiana hanaraka koa aza ny toerana ao amin’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita, raha vonona hampihatra ankitsim-po ny fiaraha-mitantana ny tetezamita ka hanangana ny governemantan’ny firaisam-pirenena i Andry Rajoelina.

 
Jean D. 

Sary : Alain Andriamisesa sy i Alain Tehindrazanarivelo taorian’ny diniky ny Escopol sy ny Cnosc tetsy Tsiadana ny zoma 21 janoary 2011.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT