Politique

Andohatapenaka Trondro simba nifandrombahan’ny olona


  • Alarobia 26 Janoary 2011

Sady nahonena no nahatalanjona ity tranga izay niseho tetsy Andohatapenaka omaly. Ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata 24 janoary tokony ho tamin’ny iray ora maraina, dia nisy nanary tao anaty lakan-drano ny trondro efa ho roa taonina tany ho any.

Ny mpivarotra vao maraina no naheno ny fofona sy nahita izany. Tsy ela dia niparitaka ny feo hany ka samy naka izay voarain’ny tanany teo ireo olona. Niparitaka hatrany amin’ny kartie hafa aza ny resaka ary dia mbola tonga teo ihany koa ireo olona avy any an-toeran-kafa mba naka ny anjarany. Vetivety foana arak’izany dia efa nihena am-pitoerana teo ireo trondro efa simba ka ahiana hampidi-doza. Tao ny nivarotra ny azony ka 1000Ar ny kilao. Raha ny filazan’ny sefo Fokontany teo an-toerana dia hatramin’ireo olona monina any Anosizato sy Anosipatrana ary Anosibe aza dia tonga naka teo an-toerana.

Nandray fepetra avy hatrany ny Fokontany izay notarihin’ny lehibeny, Atoa Honoré Rakotomanana. Niezaka ireo ny nitety tanàna ary nanentana ny olona mba tsy hihinana ireo sakafo simba ireo. Nisy ihany namerina izany saingy ankavitsiana. Samy nihinana ny rembiny ireo olona izay efa noana sy leon’ny krizy ka tsy nieritreritra intsony izay mety hanjo azy ireo amin’ny fihinanana ireto trondro simba sy tsy fantatra na voapoizina ireto. Raha araka ny vaovao azonay tamin’ny Fokontany omaly hariva dia tsy mbola nisy aloha ny narary momba ity raharaha ity. Asa izay hitranga anio. Tonga teny an-toerana ny tompon’andraikitry ny BMH ary nandoro ireo ambiny sisa tsy nalain’ny olona.

 
r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT