Politique

Ampela Manao Politika Tsy «Pro-Tgv» izahay


  • Alatsinainy 28 Febroary 2011


Tsy mbola mieritreritra ny hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena ny filohan’ny antoko Ampela Manao Politika sady Filoha lefitry ny Filankevitry ny tetezamita, Rasamoelina Brigitte. “Ny hahamaro ny fandraisana andraikitry ny vehivavy eo anivon’ny fitantanana ny firenena ho tena himasoany dia ny fijerena akaiky ny fiainam-bahoaka. Tsy mpanohana ny TGV izy fa mpanohana hevitra. Resadresaka taminy.

 

Tia Tanindrazana (T.T) : Vehivavy mitana andraikitra ambony ianao ankehitriny, mety ho azo eritreretina ve ny ambonimbony kokoa noho izay atsy ho atsy ?

Rtoa Rasamoelina Brigitte (R.B) : Amiko dia zava-dehibe mihitsy eo amin’ny sehatra politika ny hoe vehivavy dia miditra amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Rehefa manana traikefa sy fahavitrihana izy dia tokony handray andraikitra ary manomboka hatrany amin’ny fokontany izany. Fa ny fototra matotra no mahamarin-toerana ny mpanao politika. Ny nahavoa hatramin’izay dia tsy nisy antoko nitsangana nialoha ny fifidianana ho filoham-pirenena fa efa lany ilay olona vao nikoropaka nanangana ny antokony. Ka ny anay AMP dia manaja ny hevitry ny mpikambana izahay fa manana fijery amin’ny fitantanan-draharaha izy ireo. Tsy voatery hoe tsy maintsy ho lasa filoham-pirenena tsy akory rehefa manangana antoko politika. Ny zavatra hita dia lehilahy foana no nitondra tao anatin’izany 50 taona lasa izay. Rehefa mba hita fa tsy mety sao dia mba tonga ny fotoana hampitomboana ny isan’ny vehivavy mitana andraikitra eo amin’ny sehatry ny fitondrana ? Izahay aloha hatreto dia manana ny fijery mankany amin’ny fikarakarana ny lafiny sosialy, ny maharary ny mponina fa aleo mba hisy fiantraikany any amin’izy ireo amin’izay ny fahombiazana ara-toekarena amin’ny antsoina hoe fiakaran’ny harin-karena faobe. Sao dia mba traktera sy bildôzera no izy fa tsy 4x4 be dia be.

 

T.T : Sao dia matahotra ny vehivavy hafa efa nilaza ho kandidà ianao ?

R.B : Tsy misy mifampatahotra eto fa samy manana ny hanitra ho azy. Amin’izao dia mbola tsy fotoana filazana izany fa “misy fotoanany ny zava-drehetra”, hoy ny fitenin-drazantsika. Tsy tahotra no entina hananganana antoko.

 

T.T : Nandray anjara foana ianareo na tany amin’ny hoe Dinika santatra, Fikaonan-doham-pirenena, Fitsapan-kevi-bahoaka ary mbola mankato ity sori-dalan’ny Dr Simao ity, tsy nahitam-bokatra ireo hatramin’izao fa tsy nahavaha mihitsy ny krizy, ny azo ambara ?

R.B : Tsy mbola mivaha tokoa ny olana, nefa mba efa misy fivoarany be kosa ny toe-draharaha. Misy fironana miaraka izao hoe, andao amin’izay handeha. Hatrany Maputo dia tsy mbola hita izay nangirana fa nanomboka teny Vontovorona dia efa taratra sy namofompofona ny famahana ny krizy. Be izay dinika natao izay tsy tokony hambanian’ny Filoha teo aloha izany. Izy no tokony ho nanao fanambarana mazava tahaka an-dRatsiraka sy i Zafy hoe tsy hanao sonia io sori-dalana io izahay fa mbola hoe hifampiresaka dia mivadibadika eo ka tratrany izao ny Vondrona Iraisam-pirenena.

 

T.T : Tsy mety aminareo nivadika nomba an-dRajoelina mihitsy ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana ?

R.B : Aleo aloha hazava fa “Pro” ny processus izahay fa tsy “Pro-Tgv” izany. Ny hialana amin’ny fanapahan-kevitr’olon-tokana no nidiranay ato amin’ny rafitra mpanao lalàna ankehitriny. Tokony hojerena amin’izay ny vahoaka fa reraka ka tsy fotoana mahamety mihitsy ny fiverenan’ny Filoha teo aloha an-tanindrazana izao. Ny fanaovana politika dia tsy io fiziriziriana be io fa ianao efa fantatra fa tsy Anjely. Tao amin’ny antoko TIM aho taloha fa tena halaviriko mihitsy tsy hihatra amin’ny antokoko ny fijaliana nosedraiko taloha. Amiko, tsy nivadika izany aho fa nanangana antoko ahazoan’ny vehivavy mivelatra. Tsy niditra tao amin’ny antoko hafa efa nisy aho tsinona fa nanangana vaovao ho an’ny tenako hampanjaka ny miralenta.

 
Nangonin’i Manohy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT