Mitodika any Addis Abeba misy ny foiben-toeran’ny Firaisambe Afrikanina ny sain’ny mpanara-baovao maro.
Anatiny tanteraka amin’ny fihaonambeny faha-16 mantsy ny Vondrona Afrikanina, izay andinihana akaiky ireo raharaha manahirana aty Afrika, indrindra ny ao Côte d’Ivoire. Tamin’ny andro voalohan’ny fivoriana omaly alahady no nahavoafidy an’i Teodoro Obiang Nguema, filoham-pirenena am-perinasa any Guinée Équatoriale (in-telo voafidy ary tonga teo amin’ny fitondrana tamin’ny alalan’ny fanonganam-panjakana) ho filohan’ny Firaisambe Afrikanina mandritra ny herintaona, nandimby toerana an’i Bingu Wa Mutharika, filohan’i Malawi. Nandefa taratasy izay novakiana nandritra ity fihaonana an-tampony any Addis Abeba ity ny filoha Ravalomanana, mampahafantatra ny zava-misy eto Madagasikara taorian’ny ampamoaka nataon’ireo manamboninahitra ambony isany, ny jeneraly Rakotonandrasana Noël sy ny kly Andrianasoavina Charles ary manazava amin’ireo filoham-pirenena sy filoham-panjakana ary vahiny manan-kaja miatrika ity fihaonana an-tampony faha-16-n’ny Firaisambe Afrikanina ity ny anton’ireo fitoriany mikasika ny fanonganam-panjakana nitranga teto ny taona 2009.
Manoloana ny toe-draharaha misy ankehitriny dia heveriko, hoy ny filoha Ravalomanana, fa mendrika hahalala ny antony sy ny fototr’izao krizy izao ny Malagasy. Nanamafy an-tsoratra ny tenany fa misokatra ary vonona hatrany amin’ny fifampidinihana saingy mihevitra kosa izy fa zon’ny vahoaka Malagasy ny mahalala ny marina ary rariny loatra izany, koa matoky ny fitsarana sy mpitsara Malagasy izy amin’izany.
Tsy azo ekena eto amin’ity firenena ity ny kolontsain’ny tsimatimanota, ary mendrika izany tany tan-dalàna izany i Madagasikara, hoy ny filoha Ravalomanana. “Koa zava-dehibe ny hivoahan’ny marina ary dia handeha mora ho azy ny fifamelana sy fifampihavanana satria mifankafantatra tsara ny rehetra, iza no nanao inona ?”, hoy izy nanohy ny fanazavany. Andrasana izay ho fehin-kevitry ny mpizaika amin’ity anio ity, izay hifaranan’ny fivoriana. Mandritra izany eto an-toerana dia miditra amin’ny herinandro farany ny iraka fanelanelanana tarihin’ny Dr Leonardo Simao, avy amin’ny vondrona SADC. Maro koa ireo hevitra mivoaka etsy sy eroa amin’ny famahana ny krizy eto ankoatra ny fanerena ataon’ny vondron-kery eto anatiny manoloana ny fikatsoan’ny raharaham-pirenena.
Niatrika ny fotoam-panokafana ity fihaonana an-tampony faha-16 ity ny filoham-pirenena frantsay, Nicolas Sarkozy, izay sady mitarika ny vondrona G8 no mitarika ny vondrona G20 ihany koa, toy izany koa ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, Ban Kimoon, sy ireo filohana fikambanana iraisam-pirenena toy ny tale jeneralin’ny Banky iraisam-pirenena, Rtoa Ngozi Okonjo-Iweala, teratany nizeriana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.