Politique

Amiraly Didier Ratsiraka “Mitsangana ry tanora !”, hoy izy tao amin’ny Magro


  • Alarobia 30 Martsa 2011

Efa ho herintaona mahery no niarahan’ny ankolafy 3 teny an-kianja, hatreny Ankorondrano ka hatreny Behoririka fa sambany niditra nivantana an-telefaonina tao amin’ny Kianjan’i Behoririka ny Amiraly Didier Ratsiraka.

Tsy nanao kabary lava anefa ny lehilahy fa nangataka ny mpiara-mitolona rehetra niaraka niredona taminy ny hiran’ny tolom-panafahana : “Madagasikara Tanindrazanay”. Somary nasiany tsindrim-peo mafimafy kokoa ny famaranana natao niadana hoe : “Mitsangana ry tanora, mitsangana fa aza manana ahiahy !”. Ny hiaka mahazatra sy nahafantarana azy teo amin’ny fitondrana fahiny no namaranany an’izany dia ny hoe : “Ho ela velona i Madagasikara tsy mandohalika ! Ho ela velona i Madagasikara mijoro”. 

Ity trangan-javatra ity moa tamin’ny ankapobeny dia toa nanamarina ny voalazan-dRtoa Marthe nialoha ny antso an-telefaonina nilaza fa “Izany Didier Ratsiraka izany dia tsy manadino mihitsy ny tolom-panafahan’ny tia tanindrazana Malagasy ary izy no nanangana ny Mausolée”. “Tsy amelantsika”, hoy izy, “raha tsy afaka isika ary malalaka i Madagasikara”. Izy moa dia anisan’ny nisaotra ny rehetra sy nidera ny hafanam-pon’ny maro nanatontosa ny hetsika teny Ambohijatovo omaly tahaka an’i Ihanta Randriamandrato sy Lalatiana Ravololomanana nandray fitenenana teo alohany. Mitohy ny tolona, ary tsy maintsy miverina ny fanjakana tan-dalàna, hoy izy ireo.

Manohy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT