Politique

Amiraly Didier Ratsiraka Lany fetra ny NOTAM manakana azy hody


  • Alarobia 25 Mey 2011

Tapitra tsy manankery manomboka anio 25 mey misasakalina ilay NOTAM (Note To Airmen) A0230/11 nivoaka ny zoma 25 febroary 2011 mandrara ny fiverenan’ny amiraly Didier Ratsiraka sy ny fianakaviany hody an-tanindrazana.

 “Baiko avy amin’ny mpitondra ambony” no voalaza fa namoahana io NOTAM io, “tsy ahafahan’ny amiraly Didier Ratsiraka sy ny fianakaviany miondrana amin’ny fiaramanidina miditra eto Madagasikara”. Tampoka ho an’ny maro, nanaitra ny sasany, nefa naharomotra ny hafa, indrindra ny avy amin’ny ankolafy Ratsiraka sy ireo kamarady Arema ity fanakanana Olom-pirenena malagasy tsy hiverina an-tanindrazana ity. I Andry Rajoelina no nanazava, roa volana aty aoriana, tamin’ireny fivezivezeny tany Afrika nandresy lahatra ireo mpitondra firenena mpikambana eo anivon’ny SADC, fa mikasa ny hamory olona eo anoloan’ny Lapan’ny tanàna ny amiraly Ratsiraka rehefa tonga, ka izay no nandraisana iny fepetra iny sao hitarika fanakorontanana izany.

Ny 01 oktobra 2010, ankatoky ny fisokafan’ny fampielezan-kevitra momba ny lalàmpanorenana nataon’ny FAT ny 17 novambra 2010, ny amiraly Didier Ratsiraka no nanambara fa hiverina an-tanindrazana ary handroso sori-dalana roa na telo hivoahana amin’ny krizy. Araka ny fikaroham-baovao tamin’izany dia efa vonona ny fiaramanidina manokana hitondra ny fianakaviana Ratsiraka amin’ny fiverenany eto Madagasikara, ary efa nandefa ny fampahafantarana ny sidina hatao mankaty Madagasikara io fiaramanidina io, izay midika fa ho avy i Deba. Hisy ato ho ato ny fihaonan’ireo lehiben’Ankolafy politika samihafa hatao any Gaborone, handaminana ny krizy. Tsy nanambara ofisialy fa hihazo an’i Botswana ny ankolafy Ratsiraka, na dia hita ho miomana amin’izany aza ny ekipa eto an-toerana. Hitodi-doha hiverina eto Madagasikara avy hatrany ve ny amiraly aorian’ny fihaonana any Gaborone sa mbola hiandry fotoana manaraka ?

 

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT