Politique

«Alliance pour le Changement Démocratique» Hamadika tanteraka ny pejy


  • Talata 26 Aprily 2011

Samy mitady lalana izay hamahana ny krizy misy eto Madagasikara hatramin’izao ireo mpanao politika ka nahateraka indray ny sehatra vaovao amin’ny fanovana ara-pomba demokratika.

Olona efa nanana andraikitra ambony teto amin’ny firenena avokoa no mpikambana ao amin’ity sehatra iray vaovao ity izay tarihin’ny Pr Alain Tehindrazanarivelo, efa praiministra lefitra teo aloha, eo ihany koa ny minisitra teo aloha ary efa praiministra mpisolo toerana, Manorohanta Cécile, ny minisitry ny fitaterana teo aloha Ranjatoelina Roland, Jonah Rahetlah ary ny Minisitry ny fitsarana teo aloha Imbiky Anaclet. Nisy ny raki-kevitra efa navoaka mba hampahafantarina ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny mpanao politika, izay niainga tamin’ny fisavana ifotony ny fositra nahatonga ireo fitondrana nifandimby teto Madagasikara sy ny fihetsaham-bahoaka noraketina ao anatin’izany, araka ny voalazan’ny Profesora Alain Tehindrazanarivelo. Iraisan’izy ireo feo ny tokony hialana amin’ny fanaovana tery vay mainta ny fomba fitondrana ny firenena mba tsy hampiverina foana ny fihetseham-bahoaka, ka tokony hisy ny fanovana eny anivon’ny polisy, fitsarana, haino aman-jery ary ny lafiny ara-toekarena.

Nambaran’ity filoha mpitarika ny fikambanana ity fa nandefasana io raki-kevitra io avokoa ireo andrim-panjakana lehibe eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, SADC, Firenena Mikambana ary Vondrona Afrikanina. Ireo ankolafy politika misy eto amin’ny firenena na ny mpanohitra izany na ny mpomba ny fitondrana. Arak’izany dia manao antso avo amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena izy ireo mba hijery ny toe-draharaha misy eto Madagasikara. Hevi-dehibe anisan’ny ijoroan’izy ireo ny famadihana tanteraka ny pejy tsy ho tratry ny vela-pandrika efa nahavoa ny fitondrana nisesy teto Madagasikara.

 
Yves
 

Sary : Profesora Alain Tehindrazanarivelo, filohan’ny antoko ENINA

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT