Politique

Alatsinainy Mainty 2009 Hotsarovana ao Magro Behoririka


  • Alarobia 26 Janoary 2011

Niavaka tamin’ny andron’ny omaly talata 25 janoary ny fahatongavan’ny delegasiona mafonja avy any Antsirabe tao amin’ny Kianja Magro Behoririka.

Fankaherezana ho an’ny fanohizana ny tolona hiaraha-manana no votoatin-kafatra nentin’izy ireo. Hitohy, araka izany, ny hetsika ao amin’ity kianja ity ary nohamafisin’ny Depiote Mamitiana fa ao ihany ny hetsika anio alarobia fa tsy manaraka ny toetra ratsin’ny hafa na dia mafy aza ny nahazo tamin’ny 26 janoary 2009. Andro nampidi-kizo an’i Madagasikara ny 26 Janoary 2009 ary andro mahamenatra ny FAT io satria nisy olona efa natao sorona mihitsy mba ho maritiora tamin’ireny. Hisy ny fahatsiarovana amin’ny alalan’ny fandefasan’ny KMFB horonan-tsarin’ny zava-nisy tamin’izany andro izany.

«Tongava maro», hoy Rtoa Berthine solontenan’ny vehivavy Boriborintany faha-2. «Fa andro lehibe io», hoy ny fanohizan’i Manoela azy. «Tena nahita ary mbola hahita ny zava-misy eto Iarivo izahay», hoy ny solontenan’i Fandriana nandalo tao amin’ity kianjan’i Magro Behoririka omaly ity, «tsy araka ny heno any ambanivohitra mihitsy ny hita eto. Tsy tonga any Fandriana ny gazety fa ny haino aman-jerim-Pa… no mamafy izay tiana ambara any». Fa tamin’ity omaly ity dia efa nisy sahady ny tatitry ny zava-niseho teny amin’ny fitsarana Anosy ny marainan’ny talata 25 janoary ka nilazana fa nihemotra amin’ny volana febroary indray ny fitsarana an-dry Fetison Rakoto Andrianiriana sy Pasitera Edouard Tsarahame ary ny Depiote Zafilahy Stanislas. Nitondran-dRajo fanamarihana ihany koa hoe : «nisy teny tao amin’ny fitsarana fa izahay izao no eto ka izay hataonay ihany aloha. Tena ara-teknika tokoa ve ny olana tamin’ilay fitsarana tamin’ny maraina (omaly) ? Sa kosa nanova zavatra ireo ampamoaka nataon’ireo manamboninahitra sa kosa noho ny fahatapahan’ny dinika ? Ahoana tokoa no ahafahana manenjika bitro roa ? Hifandinika nefa ny sain’ny sasany any amin’ny gadra politika satria tsy misy resaka», hoy izy.

 
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT