Politique

Alatsinain’ny Pentekosta tao amin’ny Magro Behoririka “Efa mampirina entana aho”, hoy i Marc Ravalomanana


  • Talata 14 Jona 2011

Fotoana tsy voafaritra mialoha fa nifanarahan’ny mpitolona rehetra tamin’ny fiafaran’ny fotoana ny alahady ny hisian’ny hetsika manokana tao amin’ny Magro Behoririka omaly alatsinain’ny Pentekosta 13 jona.

Fitsangantsanganana vita tsy nandaniam-bola be ny an’ny rehetra tamin’izany sady mbola nifaly havanja tamin’ny fanambarana nataon’ny Filoha Marc Ravalomanana nivantana avy any Afrika Atsimo tamin’ny Alahadin’ny Pentekosta. Samy nisaotra ny rehetra tamin’izany fahavitrihan’ny mpitolona izany avokoa ireo nandahateny rehetra toa an’Atoa isany Fetison Rakoto Andrianirina, Guy Maxime Ralaiseheno, Ihanta Randriamandrato, Camille Mektoub ary Zafilahy Stanislas sy ny Filoha Marc Ravalomanana nampidirina an-telefaonina nivantana ihany koa.

“Efa mampirina entana aho”, hoy ny teny farany nataony tamin’ny vahoaka taorian’ny kabary fohy nataony izay nanamafy ny voalazany tamin’ny alahadin’ny Pentekosta fa : “tsy maintsy Malagasy samy Malagasy no miara-miresaka mamaha ny olana misy ; tsy maintsy mody daholo ny mpanao politika rehetra mbola any ampita sady mahazo manao politika” ary anisan’izany ny tenany. “Hoentina any amin’ny Fivondronambe Afrikanina ny fanapahan-kevitry ny SADC”, hoy izy “rehefa vita ny dinika samy Malagasy hakany fanapahan-kevitra”. Niantso ny rehetra samy ho tony tsara ny Filoha Marc Ravalomanana ary hampiseho fiaraha-mientana sy fihavanana”. “Tokony hampandefitra ny hambom-po politikany na ny andaniny na ny ankilany”, hoy izy “ka hanontany tena hoe : inona no atao amin’ny politikan-tsosialy ary indrindra ny fanabeazana fa betsaka ny fanampiana ara-bola tokony ho azo amin’ny ady amin’ny hanohanana nefa rava tao anatin’ny roa taona mahery kely monja”.

 

Manohy

 

SARY : Hiakam-pifaliana hatrany no andraisan’ny Magro ny Filoha Ravalomanana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT