Milaza ho misalasala hanao sonia ilay sori-dalan’ny SADC Atoa Alain Ramaroson, filohan’ny antoko Masters sady filohan’ny vaomieran’ny fandriampahalemana eo anivon’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, rehefa namaky tsara ny andininy faha-23 ao amin’izy io, milaza fa ho rava avokoa ireo rafitra rehetra natsangan’ny fitondrana tetezamita hatramin’izay aorian’ny fotoana hanaovan’ny rehetra sonia azy.
Nametraka ny ahiahiny ity mpanao politika ity fa tsara apetraka tsara aloha ny fitsipi-dalao vao miroso amin’izany sonia izany. Notanisainy ny nandanian’ny 53%-n’ny vahoaka nifidy ny lalàmpanorenana, ireo fihaonana politika toy ny fikaonan-doham-pirenena izay nisokatra tamin’ny fikambanana sy ny fiarahamonina sivily, hamahana ny olan’ny samy Malagasy. “Efa tapitra nifanaiky, araka izany, ny mpanao politika Malagasy. Nahazo ny ara-drariny ny Filoha Rajoelina satria ny maro an’isa no nanaiky hiara-kidinika sy hitantana ny raharaha. Nahazo ny ara-dalàna koa izy satria efa tafapetraka ny lalàmpanorenana. Io no faratampony amin’ny fitantanana ny firenena ary nametraka fa andraikitry ny Filohan’ny tetezamita izay misahana ny asan’ny filohan’ny Repoblika no mitandrina toy ny anakandriamaso io lalàmpanorenana io. Mandika tsotra izao ny lalàmpanorenana izy raha manaiky ny handravana ireo rafitra rehetra efa najoro”, hoy i Alain Ramaroson.
Amin’ity farany dia mety ny fanatevenana ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita sy ny Kongresy hampidirana ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fikaonan-doha nefa voailika tsy tafiditra tao anatin’ireo rafitra ireo. “Aleo mailo fa matetika no efa voafitaky ny iraisam-pirenena”, hoy i Alain Ramaroson. “Nolazaina fa hahazo ny fankatoavana iraisam-pirenena rehefa esorina ny Praiministra Monja Roindefo izay mpiara-nitolona akaiky”, hoy izy, tahaka izany koa ny hoe “atao ny fisokafana ao amin’ny CT sy CST”.
Natao daholo izany fa zavatra hafa no nitranga. Izao indray tonga ny sori-dalana vaovao, tetika hanalavana ny tetezamita io aminy. “Manana adidy mampitandrina ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita aho”, hoy ity mpanao politika ity, fa “mpirahalahy mianala izahay, ka ny zava-dehibe dia fametrahana ny rafitra rehetra ka hirosoana amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna, Solombavambahoaka, Filoham-pirenena. Rehefa izay no tafapetraka dia izay no vita. Be anefa ny mpamingana”.
Mikasika ny Masters dia nanambara i Alain Ramaroson fa vonona handray anjara amin’ny fifidianana rehetra izy ireo, fa raha ny amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena kosa dia tsy fotoan’ny filazana izany izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.