Manao rano lava ny fanambarana avy amin’ny mpitondra tetezamita tsy mankasitraka ny hiverenan’Atoa Ravalomanana eto, rahampitso sabotsy.
Ho an’i Alain Ramaroson, filohan’ny vaomieran’ny filaminana sy ny fandriampahalemana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, dia tsy azo atao intsony ny mandefitra manana ny rariny. Maro be ireo fanontaniana hitadiavam-baliny tamin’ny tsy nety nataon’ingahy Ravalomanana teto araka ny nambarany, ary dia vonona ny hitsena azy izy ka hanontany mba hahafantarana ny tena marina. Aminy dia mpamono olona sy mpanodinkodina volam-bahoaka ity filoha teo aloha ity, ary tena mety hiteraka korontana ny fahatongavany eto. Manararaotra ny fahasahiranan’ny vahoaka amin’izao fotoana mba hanakorontanana Atoa Ravalomanana, hoy Atoa Alain Ramaroson ka tsy azo ekena izany fa tsy maintsy handraisana fepetra hentitra araka ny lalàna.
Nambarany tsy ampihambahambana ihany koa fa noho ny ampihimamba nataon’ity filoha teo aloha ity no mampiakatra ny vidin’entana amin’izao fotoana ka mahatonga ny fahasahiranan’ny vahoaka. Ho azy ihany koa dia mbola ao anatin’ny fanarenana ny firenena noho ny nataon-dRavalomanan ny fitondrana tetezamita amin’izao fotoana ka tsy tokony ho avy eto hanakorontana ity filoha teo aloha ity. Tsy Mesia akory ka ho avy eto hanao fahagagana ingahy Ravalomanana, hoy i Alain Ramaroson ka aoka mba samy hieritreritra tsara ny rehetra.
Mahitsy sady hentitra tahaka ny fanaony ny fanambarana nataon’ity mpanohana mahafatrapo an’i Andry Rajoelina ity ary anisan’ireo nanampy ity farany tamin’ny fanonganam-panjakana nataony tamin’ny 2009. Mahagaga ihany anefa io fanambarana io, satria Atoa Alain Ramaroson dia tsy nisalasala naka sy nampiasa ilay fiara 4X4 marika Mercedes, izay fananana manokan’ny filoha Ravalomanana ary efa novidiany mialoha ny naha filoham-pirenena azy. Fa mahatalanjona ihany koa ilay hoe noho ny ampihimamba nataon’Atoa Ravalomanana no mampiakatra ny vidin’entana amin’izao fotoana, kanefa niaraha-nahita tsara fa ny fisian’ny Magro aza no nahafahana nifehy ny vidim-bary tsy hidangana be amin’ny maitso ahitra tamin’ny fitondrana teo aloha, fa saingy tsy voafehy intsony izany amin’izao fotoana satria mpandraharaha vahiny, indrindra ny Karana no mahazo vahana amin’io resaka PPN io eto amintsika, mpandraharaha vahiny izay avara-patana tsara amin’ny FAT.
Fa misy ihany koa ireo mpandraharaha Malagasy izay tsy mahalala afa tsy ny tombontsoany, ary misy olona ambony maromaro aza voatonontonona fa miray petsapetsa amin’ireo mpandraharaha manafina vary sy siramamy ary menaka eto amintsika. Dia tsy mbola miova izany hatreto ny toetra sy fomba fisainan’ny mpitondra tetezamita fa manarona ny tsy fahaizany mitantana ao ambadiky ny nataon’ny teo aloha, ary miala bala foana fa tsy mba miaiky ny havotsany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.