Politique

Ady seza Miforona etsy sy eroa ny antoko


  • Alakamisy 10 Martsa 2011

Na dia eo aza ny fihetsiketsehan’ny FAT dia mbola manahirana ihany ny toe-draharaha eto amin’ny firenena amin’izao fotoana noho ny fizirizirian’i Andry Rajoelina sy ny mpiara-dia aminy ny hitantana samirery ny tetezamita mizotra mankany amin’ny Repoblika faha-IV.

Fomba firesaky ny mpanohana izao fitondrana izao ny hoe efa manaiky ilay sori-dalana ny ankamaroan’ny antoko sy vondrona politika, koa afaka mijanona izay tsy mazoto ny hanaraka izany sy tsy hiditra ao amin’ny sambo. Ireo Ankolafy telo moa dia ambaran’izy ireo fa vitsy an’isa ary tsy mahatarika olona akory. Mitsipaka avy hatrany an’izany ireto farany ary manamafy fa matanjaka ny Ankolafy telo ary afaka mifampitana tsara amin’ireo vondrona politika manodidina an’i Andry Rajoelina. Atoa Manoro Régis avy ao amin’ny ankolafy Zafy Albert, ohatra, dia nanambara fa tsy tokony hampitoviana mihitsy ny antoko efa nijoro ela, niatrika ireo fifidianana nifandimby rehetra teto tao anatin’ny 5 na 10 taona, sy ireo antoko niforona tetsy sy teroa nanomboka tamin’ny 2009. Ireo antoko marobe nitranga tampoka tato anatin’ny krizy ireo no maro mibosesika manohana ny FAT ao anatin’ireo dinika politika maro samihafa sy ny resaka fanaovan-tsonia etsy sy eroa.

Nanamafy ny mpitarika avy ao amin’ny ankolafy telo fa tsy ny anarana na ny isan’ny antoko manasonia ny sori-dalana akory no midika inona fa ny hery sy ny tanjak’izy ireo any amin’ny faritra rehetra manerana ny nosy. Ny hita anefa dia maro amin’ireo antoko ireo no tsy mahenika akory an’Antananarivo renivohitra sy ireo Kaominina manodidina. Raha tena tsorina ny resaka, hoy ny mpitolona iray eny amin’ny Magro dia antoko an-taratasy, na antoko ambony latabatra fotsiny ireo milaza azy fa resy lahatra amin’ny politikan’i Andry Rajoelina ireo. Ny olana amin’izany, araka ny fanazavany dia ho feno olona tia tena sy tsy ankatoavin’ny vahoaka any anatin’ireo rafitra tetezamita koa dia ho avy indray ny savorovoro. Ny fiverenan’ny fifampiresahana eo amin’ireo filohan’ny Ankolafy 4 ihany no tena vahaolana, araka ny filazan’ny Dr Manoro Régis, ary afaka hitarina amina vondron’antoko hafa izany raha ilaina amin’ny fandrafetana ny sori-dalana tena hamaha ny krizy, izay avy amin’ny Malagasy fa tsy avy amin’ny vahiny mpanelanelana, araka ny fanazavany ihany.

 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT