Efa mazava ny hoe hitarina ka hampiana mpikambana vaovao ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) sy ny Kongresin’ny tetezamita (CT).
Izany dia ho fampiharana ny sori-dalan’ny Dr Leonardo Simao izay tsy tokony hoekena na inona na inona aloha satria tsy mbola nahazo ny fankatoavan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Efa mandeha anefa amin’izao fotoana ny kajikajy rehetra ny amin’izay olona homena seza eo anivon’ireo andrim-panjakan’ny tetezamita roa ireo. Raha ny re omaly tamin’ny loharanom-baovao akaiky ireo dia Andrianalijohn Andriamanampy na Rév. Satrobory, filoha nasionalin’ny antoko AMF/3FM no anisan’ny homena toerana ao amin’ny Kongresy ato ho ato. Ho hita eo izay mety ho fandavana na faneken’ity mpanao politika izay anisan’ny niaritra tao amin’ny Magro ity manoloana an’izany seza omena azy izany. Amin’ny toe-javatra toy izao tokoa mantsy no tena hahafahana manavaka ny vary sy ny tsiparifary, araka ny teny miverimberina ao amin’ny Kianjan’ny finoana Behoririka, indrindra manoloana ny tolona izay mbola hitohy mandra-piverin’ny ara-dalàna. Na ny Amerikanina aza, izay anisan’ny firenena filamatra amin’ny fanjakan’ny demokrasia, dia efa manazava fa tsy misy mandeha amin’ny laoniny ny fanao ara-politika sy ny fanajana ny zon’olombelona eto amintsika…
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.