Tsy feno ny seza tao amin’ny efitrano fivoriana teny Tsimbazaza omaly nandritra ny fihaonan’ny Kongresin’ny tetezamita tamin’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI.
Azo antoka anefa fa tsy omby io efitrano be ao Tsimbazaza io raha tonga avokoa izy 250 mianadahy mpandray tombontsoa. Mety hisy hiteny angamba hoe, reraky ny adihevitra tamin’ny fandaniana ny volavolan-dalàna teo alohan’ity fihaonana ity ny sasany, na mandinika zavatra hafa any amin’ny kaomisiona hafa any koa, na mbola misy tavela any amin’izay misy azy fa vao avy nandray ilay fandehany kely tamin’iny faran’ny herinandro iny. Mety ho marina avokoa izany saingy moa va tsy ity resa-pifidianana ity no vain-dohan-draharaha tokony hahaliana ny rehetra ao anatin’izao tetezamita izao ? Sao dia tsy miraika amin’izany tokoa ary ry zareo eny Tsimbazaza eny fa efa zavatra hafa mihitsy no ao an-dohany ? Nafana aloha ny adihevitra tamin’ireo mpikambana tonga niatrika ny fanazavana nomen-dry zareo CENI notarihan’ny filohany, Rakotomanana Hery.
Raha fintinina dia ny fanazavana tamin’ny antsipirihany ny zava-bitan-dry zareo hatramin’izay ka hatramin’izao eo amin’ny asa sahaniny dia ny fanomanana ny fifidianana ho avy no nentin’ity vaomiera ity teo anatrehan’ny Kongresy sy ny hoe : mby aiza isika izao ? Nomarihan’Atoa Hery Rakotomanana manokana fa «ny CENI dia tsy manao politika ary tsy miditra ao anatin’ny raharaha politika. Mpikarakara sy mpanomana fotsiny ny fifidianana ihany izahay, fa ny fanapahan-kevitra dia an’ny mpanao politika na hirosoana izany na ho tsia. Miasa araka ny fitaovana sy ny hoenti-manana eo am-pelatanana izahay. Ka hevitra diso ny fieritreretana hoe : ny CENI no mamaritra ny fifidianana. Fa rehefa hirosoana kosa anefa izany dia zavatra efa vonona no aroson’ny CENI ny rehetra». Saika nahazoam-baliny avokoa moa tamin’ny ankapobeny ny fanontaniana nanitikitika ireo mpikamban’ny Kongresy satria mbola niverenena ny adihevitra ny tolakandro.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.