Tsy hitan’ny vazanain’ny kianjan’ny Magro Behoririka izany hoe elatra namadika palitao niaraka amin’ny FAT izany fa vahoaka vonon-kanohy ny tolona hatramin’ny farany mandra-piverin’ny ara-dalàna sy mandra-piverin’ny Filoha Marc Ravalomanana sy Didier Ratsiraka an-tanindrazana no hita mavitrika sy nameno kianja tao ny sabotsy 26 martsa teo.
“Efa maro ny antoko miaraka amintsika amin’izao fotoana izao. Ato ny fanjakana fa ny FAT izany efa lany andro. Ny lalàmpanorenana “zéro”, ny Repoblika faha-4 “zéro”. Tsy misy fitondrana izany eto”, hoy ny Pr Zafy Albert nankahery azy ireo. Nambarany fa hisy taratasy fampahafantarana halefa hatreny amin’ireo masoivoho vahiny milaza fa tsy izy io fitondrana io. “Ho avy ny tena ministra fa avelao ny Sekretera jeneraly no hisahana ny fampandehanan-draharaha”, hoy ny Pr Zafy izay nilaza tamin’ny teny hentitra fa “tsy maintsy mitsangana isika hanavotra ity firenena ity fa mijaly ny vahoaka, ary tsy hetsiky ny ankolafy 3 intsony ity fa hetsi-bahoaka”.
Naseho voalohany tao amin’ny La Rotonde Besarety io andro io ny endrik’ity fiarahana antoko maro voalaza ity. Tazana tao ry Rakotovahiny Emmanuel (Undd), Rabearimanana Gabriel (Monima), Tsiranana Ruffine (Psd), Ihanta Randriamandrato (Teza), Lalatiana Ravololomanana (Manda ho an’ny Firaisampirenena), Rév. Ndrianalijohn Andriamanampy (Amf/3fm), Désiré Rakotondramanana (Frdl), ny avy amin’ny TIM sy Arema naneho ny fanombohan’ny hetsiky ny Tia Tanindrazana ho fanavotam-pirenena. Ho fahatsiarovana ny tolom-panafahana 1947 dia hisy ny fanaterana fehezam-bonikazo eo amin’ny tsangambaton’ny Maherifo Ambohijatovo rahampitso 29 martsa, ary hitohy amin’ny fotoam-bavaka eny Ambatomena. Tsy hijanona ary hitatra any amin’ny faritra ny hetsika, araka nambaran-dRakotovahiny.
Misy ireo niaina mivantana tamin’ny 1947 no hiondrika amin’ny fahatsiarovana, hanao fifadian-kanina sy fisaonana. Anjara fanajana izay, hoy i Constant Raveloson (Mfm). Anjara fanajantsika ankehitriny kosa, hoy izy, «ny mihetsika manangana indray izay nilofosan’ny 29 martsa 1947 dia ny Fanjakana Malagasy manana ny hasiny amin’izao tontolo izao : mampody ny mpitarika ankolafy an-tsesitany, manangana fitondrana tetezamita tsy misy fisolokiana, iaraha-manana fa izay no Repoblika ary hampanao tenierana tena ankatoavin’ny rehetra fa izay no demokrasia». Nambaran’i Constant Raveloson fa «fahamendrehana eo anatrehan’ny 29 martsa 1947 ny mampandamoka hatrany hatrany ny fitondrana misoloky, misora-tena ho tetezamita, tapi-dalan-kaleha mampidi-kizo an’i Madagasikara anatrehan’izao tontolo izao».
SARY : Pr Zafy Albert sy Manandafy tetsy Behoririka tamin’ny sabotsy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.