Ny fandefasana horonan-tsary nampiseho ny zava-nisy ny «Alatsinainy Mainty : 26 janoary 2009» no nanamarika ny tolom-bahoaka tao amin’ny Magro Behoririka omaly alarobia 26 janoary 2011.
Voaporofon’ireo tahirin-tsary, izay naranty tao, ny asan-jiolahy nitranga teto. Niditra an-tariby nivantana avy atsy Afrika Atsimo ny filoha Marc Ravalomanana, hita ho tohina ihany manoloana ny zava-nitranga saingy niezaka nampitony fo raha ny feony, ka tamin’izany no nanaovany fampahatsiahivana fohy ny tantara izay toa manamafy ihany ireo zava-boalaza tao anatin’ny ampamoaka nataon’ireo manamboninahitra isany, ny jeneraly Rakotonandrasana Noel sy ny lietna-kolonely Charles Andrianasoavina. «Nisy olona nanomana sy nikotrika ary nanana fisainan-dratsy hanapotehana ny fananam-panjakana toy ny RNM, TVM sy ny fananan’olon-tsotra ary tranombarotra samihafa. Efa tetika matipaika avokoa ireny «Lundi Noir» ireny», hoy izy. Ny lasa tsy mba voakosoka na oviana na oviana, hoy Atoa Marc Ravalomanana, saingy amin’ny maha kristiana, dia «tsy anjarantsika ny mamalifaty».
Nisaotra ny fahendrena sy ny fahatoniana anananan’ny Malagasy ny tenany, na izany aza dia mampirisika mba hampirehitra hatrany ny afom-pitiavan-tanindrazana ka hijoro sy hitaky hatramin’ny farany ny fireveranan’ny ara-dalàna eto. Ny loko mainty fisaonana no nameno ny kianja tamin’io fotoana omaly io satria nisy ny toromarika hoe misaona ka nanao akanjo mainty. Vahoaka marobe rahateo no tonga namaly ny antso. Nisaoran’ny Révérend Ndrianalijohn manokana izany fihetsiky izany ary nomarihany fa mipetraka ho tantara daholo ny rehetra nitokonana tao anatin’ny roa taona. «Teny Ambohijatovo isika «1ère ny vitesse», hoy izy, «2ème» teny Ankorondrano ary «3 è» ety Behoririka ka raha zoviana izany dia mandeha tokoa isika ary efa akaiky ny farany». «Miakanjo mainty ianareo, marina ny anareo satria niniana nasiana sorona, hono, tamin’ireny ary isika tsy namorona», hoy i Constant Raveloson, izay nanamarika fa «tany tsy misy fanjakana koa no dikan’ny akanjo mainty. Fahatezerana koa ny dikany iray hafa».
«Tsy mendrika hitondra firenena ny tomponandraikitra tamin’ny 26 janoary 2009», hoy ny Depiote Ravelonanosy Mamitiana. Nanomboka tamin’ny 26 janoary 2009 ny asan-jiolahy ary mitohy hatraty amin’ny 2011. «Tena ampy izay», hoy i Manoela. «Efa lakolosy fanairana ireny nataon’ny Tatsimo Atsinanana ireny”, hoy i Marcel. “Heloka bevava ny tamin’ny 26 janoary 2009 ary misy ny sazy mendrika ireny ka manaova fitoriana tahaka ny an’ny Prezidà izay rehetra niharam-boina tamin’ireny”, hoy ny fanampian’ny senatera Rakotoamboa Jean Louis an’izay rehetra izay. “Efa mazava ireny hafatry ny Filoha Ravalomanana ireny”, hoy ny Depiote Benjamin Ramamonjisoa. “Ny mahaliana ny vahoaka izao dia fiverenan’ny filoha roalahy, ny gadra mivoaka, ny fiverenan’ny asa”, hoy ihany Raveloson Constant namarana azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.