kolontsaina

TENY GASY Fandripahana ala : antsokosoko hita maso


  • Alarobia 14 Desambra 2022

Fanatsafana zary ohabolana fahiny ny hoe : «Rahoviana no ho lany ny ala atsinanana !». Efa nahitam-baliny, tsy sangisangy fa mampatahotra, anefa izany ankehitriny :

Amin’izao vanim-potoana iainantsika izao no ho lany ny ala atsinanana». Izany no tian’ny Firaisamonimpirenena (Alliance Voahary Gasy, Lampogno, Five, Rohy) sy ny FivMpaMa (Fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy) nisarihana ny sain’ny Ministra tonga nanatrika ilay «Haitaky ifarimbonana» (plaidoyer conjoint) natao tamin’ny 9 desambra 2022 teo, izay nahazo fanampian’ny tetikasa «USAID Hay Tao».

«Antsokosoko hita maso» : ny volana martsa 2021, ny olom-boafidy tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambanizana dia nandrisika ny olona tany an-toerana hanelingelina ny asa fitiliana nataon’ny Zandary, ny Rano sy Ala ary ny Malagasy National Parks.

Tranombarotra roambinifolo no mpivarotra «tronçonneuses» any Maroantsetra. Sambo roambinifolo ihany koa, mitatitra haza nangalarina tao anaty «Parc National Masoala», no miasa andro aman’alina : «atsokosoko hita maso».

Miaraka amin’ny «tronçonneuse» mantsy, telo andro dia ripaka ny telo hektara anaty faritra voaaro. Tamin’ity taona 2022 ity, miisa 182 ny tronçonneuses hita tamin’ny kaominina valo ao Mananara-Avaratra ary hatramin’ny 769 ny tronçonneuses voaisa amin’ny fokontany 56 ao Maroantsetra. Mangataka ny mpiaro ny tontolo iainana, mba ho atao iray sokajy amin’ny fitanana sy fampiasana basy ny sata mifehy ny «tronçonneuses». Ny Haitaky dia miandry ny Governora telo tonta (Analanjirofo, SAVA, Sofia) handray didy iraisana hifehezana ny fitanana sy fampiasana ny «tronçonneuses».

Mbola ilaina ampatsiahivina hatrany ve fa, Madagasikara dia nahitana ny 80% ny zavamaniry sy biby tsy manam-paharoa manerantany, anefa ny Malagasy dia manimba ala 99.000 hektara isan-taona. Ny «faritra voaaro» Menabe Antimena, ohatra, dia very ala 13.000 hektara tamin’ny 2020, noho ny fanorenam-ponenana sy fambolena ao anatin’ny ala indrindra. Andaniny : tokony hahavita hamerina ala 4 tapitrisa hektara isika hatramin’ny 2030. Akilany : mitombo be loatra ny isan’ny mponina, indrindra miohatra amin’ny harin-karena eto an-toerana.

Misy aza, hono, olom-boafidy milaza hoe «Anjakao fa raha maty ny olona, inona koa no ilàna izay ala». Anjakao ny zava-boahary : mpitrandraka volamena manapaka ala sy mihady tany anaty faritra voaaro. Anjakao ny zava-boahary : mpitrandraka voamboana sy hazo sarobidy manao izay danin’ny kibony. Anjakao ny zava-boahary : mpanera mitety isan-tokantrano mivarotra gidro...

Taona 2022 isika, firifiry ary ampolotaona maro, no efa nanairana sy nitaizana amin’ny tokony hiarovana ny harena voajanahary, hay Solombavambahoaka sy Ben’ny Tanàna ary Sefo Fokontany no tena mpanoha-riana. Ireo mpiaro ny tontolo iainana, miasa any ifotony, no tsara omen-tsehatra isan’andro, fa tsy mpanao politika tsy mitsinjo ny tombontsoa iombonana ary tsy miraharaha izay lova ho dimbiasan’ny taranaka.

VANF
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT