NIAINA RAKOTONJANAHARY

MPANAO GAZETY


  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Namoaka boky mirakitra ny tantaram-piainany

Namoaka boky 50 pejy, mirakitra ny tantaram-piainany Rakotonjanahary Niaina, mpanao gazety. Renim-pianakaviana manam-bady niteraka 4 izy. « Quand tout s’effondre, Dieu reste », io no lohanteny nampitondrainy ilay boky na hoe : " Na rava aza ny zavatra rehetra, Andriamanitra eo foana". Boky fijoroana vavolombelona izy io raha araka ny fanazavany. Mijoro vavolombelona izy fa marina sy tsy miova hatrany ny fitiavan’Andriamanitra. Tsy hilaza amin’ny olona aho hoe : vehivavy tonga lafatra fa tena ny mifanohitra amin’izay. Tantaraiko ao ny fahalemeko, ny tahotro, ny famoizana olona, ny fahakiviana....Ny tena marina dia ity boky ity no mampiseho fa tao anatin’ny fotoana tsy nampozina no nampiova ny fiainako dia ny fihaonako tamin’i Jesoa Kristy. Vehivavy tena very sy kivy aho no natsangan’Andriamanitra ary napetrany hitory ny momba Azy ankehitriny. Izay no tena votoatiny, raha araka ny fanazavany. Nosoratako io boky io ho an’ ireo tena very fanantenana. Ireo mieritreritra hoe : tsy misy issue intsony. Fa na rava aza ny zavatra rehetra, Andriamanitra eo foana. Misy amin’ny fiteny malagasy izy io ary misy amin’ny fiteny frantsay koa. Ao amin’io boky io dia afaka mandray anjara ny mpamaky. Misy pejy natokana ho azy ireo koa ao. Hatreto moa dia mbola any aminy no mividy izany ireo izay liana. Mbola andalam-pikarakarana ny taratasy hahafahana mivarotra izany eny amin’ny toeram-pivarotam-boky mantsy Niaina Rakotonjanahary ankehitriny. Misy version PDF koa ilay boky. Tsiahivina fa efa lasa Mpanompon'Andriamanitra ity Renim-pianakaviana mpanao gazety ity. Evanjelistra izy. Nivoaka tao amin’ny école biblique ISOM.
Pati
Legende : Niaina Rakotonjanahary, Renim-pianakaviana tsy zoviana amin’ny maro intsony !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • FAFY VINAGNY
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

NATAO TAO MANAKARA

  • Fiaraha-miasa
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

amin’ny Rosianina

  • LALAO
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

ÉCHECS 2026

  • Hetsika
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

"Handêha Añalanjirôfo"

  • Fombafofoma
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

sy vakoka ara-kolontsaina

  • Raikitra ny
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« SLANG – Freedom 250 »

Hijery ny tohiny
FTT