Voasonia tany Paris, Frantsa, tamin’ny 17 Jona 2026
ny fifanarahana teo amin’i Etazonia sy Iran dia efa, ary mbola hisy sonia fanamafisana any Suisse anio 19 Jona 2026. Ity fifanarahana ity no dingana lehibe indrindra amin’ny famaranana ny ady sy ny famerenana ny filaminana maneran-tany. Antony nanosika azy ny fahasimban’ny toekarena maneran-tany noho ny sakana an-dranomasina sy ny ady tany Moyen-Orient, ny fiakaran’ny vidin-tsolika sy entona, ary ny risika ara-piarovana ho an’ny sambo sy ny firenena manodidina. Pakistan no nitarika ny fifampiraharahana ka nahatonga ny roa tonta hifanaraka amin’ny famaranana ny ady sy ny fanokafana indray ny Détroit d’Hormuz. Voafaritra anatin’ny fifanarahana ny : fampitsaharana tanteraka ny ady sy ny fanafihana an-dranomasina, fanokafana indray ny fivezivezen’ny sambo ao Hormuz, fanesorana ny sakana napetraky Etazonia, tsy ary fifampiraharahana fanampiny momba ny programa nokleary any Iran mandritra ny 60 andro. Goavana ny lafiny ara-bola sy ara-toekarena: Iran dia hahazo tombontsoa mitentina 300 miliara dolara amin’ny endrika fanesorana sazy, famotsorana vola voageja tany ivelany, ary fanokafana indray ny varotra solika sy entona. Heverina ho ampiasaina amin’ny fanarenana ny toekarena anatiny, fanatsarana ny fotodrafitrasa, ary famerenana ny fifandraisana ara-barotra amin’ny firenena tandrefana ireo vola ireo. Tsy tambin’ny fampitsaharana ny programa nokleary izay mbola adihevitra be io ! Noho izany, mbola misy risika sy ambana ary fanamby lehibe: ny olana momba ny programa nokleary Iranianina mety hiteraka fifandirana vaovao, ny fanoherana anatiny ao Tehéran dia mety hanohintohina ny faharetan’ny fifanarahana, ary ny fanafihana avy amin’ny vondrona mpiara-dia amin’i Iran any Moyen-Orient dia mbola mety hanimba ny fahamarinan-toerana kanefa fepetra ny fampitsaharahana azy. Mampisento tokana izao tontolo izao ny fifanarahana Paris sy ny sonia fanamafisana any Suisse izay maneho dingana lehibe amin’ny famerenana ny filaminana sy ny toekarena maneran-tany, saingy mbola marefo noho ny risika ara-politika sy ara-jeopolitika. Na izany aza, ny zava-misy dia maneho fa tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana.
HO VITA HATREO VE ?
Tsy vao izao ihany koa anefa no nisy ny adin’ny roa tonta, fa efa nisy ny 1979–1981, krizy tao Tehran, nalaina ho takalon’aina ny diplaomaty Amerikana tao amin’ny masoivoho. Ny1980–1988, adin’i Iran–Irak, Etazonia nanohana an’i Irak, niteraka fifandirana lalina tamin’i Iran. 1987–1988: “Tanker War” tao Hormuz, sambo Iraniana sy Amerikana nifandona, ary sambo an’habakabaka Iraniana voadaroka tamin’ny balafomanga Amerikana. 1990–2000: Sazy ara-toekarena napetraka tamin’i Iran noho ny fiampangana azy hanohana “terrorisme” sy hanitatra ny nokleary. 2015: Voasonia ny JCPOA (Joint Comprehensive Plan of Action), fifanarahana nokleary, saingy niala tamin’izany i Etazonia tamin’ny 2018. 2019–2020: Famonoana an’i General Qassem Soleimani. Febroary 2026: ady farany nitarika sakana an-dranomasina sy fanafihana tany Liban… Ho tapitra eo ve ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.