Actualités

Zotra nasionaly Afa-po tamin’ny fitakiany ireo mpitatitra


  • Zoma 19 Martsa 2010

Anjaran’ireo mpitatitra amin’ny zotra nasionaly indray no noraisin’ny Tale jeneralin’ny ATT omaly, nandinihana ireo fangatahan’ny mpitatitra.

Saika voavaly avokoa ny ankamaroan’ireo teboka valo izay nandrafitra ilay fangatahana. Neken’ity sampandraharaha misahana ny fitaterana an-tanety ity ny fahafahan’ny mpitatitra mifindra amin’ny kaoperativa iray lalana aminy saingy fepetra takiana kosa ny fankatoavan’ilay kaoperativa nisy ilay mpitatitra teo aloha. Ankoatra izay dia voafetra ho indroa ihany izay fahafaha-mifindra kaoperativa izay. Avela hiasa malalaka koa ireo fiara izay amin’ny ilany havanany ny familiana ary mahazo miasa amin’ireo lalana ratsy ny fiara mihoatra ny folo taona. Nifanaiky koa ny roa tonta fa hohatsaraina ny fomba fiasan’ny Union des Contrôles des Véhicules izay nahazoana fanakianana mafy tokoa noho ity farany heverin’ireo mpitatitra ho misalovana ny asan’ny mpitandro ny filaminana. Nolavin’ny ATT kosa anefa ny fampidirana fiara vaovao amin’ny zotra mampitohy an’Antananarivo amin’i Toamasina. Ity farany ihany no fangatahana  tsy nahazoan’ireo mpitatitra valiny mahafapo. Araka ny fangatahan’ireto mpandraharaha amin’ny asa fitaterana ireto dia hisy amin’ny herinandro ambony ny fihaonana iarahana amin’ireo tompon’andraikitra misahana ny fitaterana   sy ny filaminana izay handraisan’ny zandary sy ny departemantan’ny filaminana anatiny anjara. 

Yves  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • ValĂ©ry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT