Eo am-pandinihana ny toe-draharaha eto Madagasikara sy ny tokony hampiharana na tsia ny sazy ny Vondrona Eoropeanina nanomboka omaly ao Bruxelles.
Miakatra any Eoropa indray izany amin’izao fotoana ny raharaha Madagasikara, taorian’ny nilatsahan’ny sazy avy amin’ny Vondrona Afrikanina. Raha ny tokony ho izy, dia hanaraka ny fanapahan-kevitry ny Vondrona Afrikanina ny Eoropeanina ka hamaritra sazy ho an’i Madagasikara ihany koa noho ny fitarazohan’ny fiverenana amin’ny ara-dalàna. Mety ho mafy sy hentitra kokoa noho ny avy amin’ny Afrikanina sy sazy halatsaky ny Eoropeanina. Ny Eoropeanina moa no anisan’ny mpamatsy vola be indrindra teto amintsika nandritra ny fitondrana Ravalomanana, indrindra ny fanamboaran-dalana sy ny fanamboarana fotodrafitrasa tahaka ny tetezana, sekoly ary hopitaly, tao anatin’ireny tetikasa ACORDS ireny. Hatramin’izao aloha, dia tsy tena misy akony firy amin’ny fiainam-pirenena sy ny fiainan’ny vahoaka amin’ny andavanandro ny sazy avy amin’ny Vondrona Afrikanina, ilay izy koa moa dia natao ho an’ny mpitondra ; fa raha ny fandinihan’ny mpahay toekarena kosa dia tsy maintsy hiantraika mivantana amin’ny fiainan’ny firenena ny sazy mety halatsaky ny Eoropeanina, ary ny tena ho loza, dia hitarika sazy hafa, avy amin’ireo fikambanana iraisam-pirenena matanjaka, toy ny Firenena Mikambana sy ny Banky Iraisam-pirenena izany. Ny Parlemanta eoropeanina, moa dia efa nanizingizina fa fakana fahefana tamin’ny alalan’ny hery no nitranga teto tamin’ny 2009 ary manasokajy ny mpitondra amin’izao fotoana ho mpanongam-panjakana. Niantso ny amin’ny tokony hampiharana ny fifanarahana iraisam-pirenena (satan’i Maputo) amin’ny famahana ny krizy ihany koa ny Parlemanta eoropeanina, ary efa nilaza fa tokony hatao izay hampandriana ny tany sy hanesorana ny fitaovam-piadiana eny am-pelatanan’ireo milisy eto Madagasikara. Ka mety tsy hifanalavitra amin’izay ny endriky ny sazy avy amin’ny Vondrona Eoropeanina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.