Actualités

Vokatra vita amin’ny ronono eny an-tsena Tsy azo antoka ny kalitao


  • Alakamisy 15 Aprily 2010

Miroborobo fatratra ny famokarana vokatra vita amin’ny ronono, araka ny teknika sy ny fampiasana fitaovana tsotra taorian’ny fitsaharan’ny fihodinan’ny orinasa Tiko ny taona 2009 izay nifehy ny lalam-barotra teto an-toerana.

Mitobaka eny an-tsena ny fromazy izay tsy manaraka ny fenitra ara-kalitao sy ara-pahasalamana ny sasany. Midina manao fizahana sy fitiliana amin’ny «laboratoara» ny santionany amin’ireny fromazy vita malagasy ireny ny sampandraharaha misahana izany na ny ACSQDA ao Tsaralalàna rehefa maharay fitarainana. Loza mitatao ho an’ny mpanjifa ny vokatry ny fanadihadiana satria voaporofo tokoa fa misy amin’ireny fromazy mameno ny tsena ireny no ahitana tsimokaretina izay mety mamparary. «Misy fotoana izahay mahita bakteria staphylocoque’’ ao anatin’ireny fromazy ireny fa ny tena mampanahy dia ny fisian’ny tsimokaretina antsoina hoe ‘escherichia coli’ izay tsy fahita afa tsy any anatin’ny tsinain’omby na amin’ny maloton’ny olombelona. Midika izany fa misy ny tandrevaka satria noho ny tsy fanasana tanana rehefa avy nanao maloto no mety nampifindra io tsimokaretina io», hoy i Iarivony teknisianina miasa amin’ny ACSQDA. Marihina fa mahatonga ny aretim-pivalanana izay mety hitarika amin’ny fahafatesana mihitsy ny «escherichia coli» raha be loatra ny rano very amin’ilay marary. Mijanona amin’ny fitiliana sy ny fandefasana ny valin’izany eny anivon’ny ministeran’ny varotra ny anjara andraikitr’ity sampandraharaha ity. Ny ministeran’ny varotra sy ny mpitandro ny filaminana kosa no manangona ny vokatra tsy ara-dalàna. Araka izany dia tsy manana antontanisa momba ny sazy mety efa nihatra ny ACSQDA. Manentana ny tsirairay, indrindra ireo mpaninjara mba hitaky ny “certificat de consommabilité” amin’ireo orinasa mpamatsy azy ity sampandraharaha ity satria izay ny fomba tsotra sady tsara indrindra isorohana ny loza. Efa misy ankehitriny ny famolavolana lalàna vaovao mifehy ny vokatra ara-tsakafo ka anisan’ny tafiditra amin’izany ny fananganana borigady iarahan’ny teksnisianina mpanara-maso, ny ministeran’ny varotra sy ny mpitandro ny filaminana izay hanangona sy hisambotra avy hatrany ireo tratra mandika lalàna.

Olana mandalo
Tsy ireo vokatra nahodina avy amin’ny ronono ihany fa ny ronono amidy koa dia ahitana singa sasany tsy manaraka ny fenitra ahafahana mandroso azy amin’ny tsena. Voamarik’ireo orinasa mpamokatra fromazy avy any Ambatomanga, ohatra, fa ambany noho ny fetra eken’ny lalàna manan-kery ny tahan’ny proteina amin’ny ronono avy any Vakinankaratra izay eny amin’ny faritra 67 ha sy Anosy no tena ahitana azy. «Raha 70% ny fatra ara-dalàna dia tafidina hatrany amin’ny 60% io tahan’ny proteina io vokatry ny fihinanan’ireo omby sakafo sy vilona efa misy vokatra simika», hoy i Manampisoa Rasendra, tompon’ny orinasa Soanimanga. Ankoatra izay dia tsy feno ny fepetra fitehirizana sy fitaterana ny ronono miala avy amin’ny toerana nakana azy ka hatramin’ny fitsinjarana azy aty an-drenivohitra. Sinibe fitehirin-drano asiana ranomandry mantsy mazàna no miasa izay tsy mitana ny kalitaon’ny ronono araka ny tokony ho izy. Afaka misento tokana ihany anefa ny mpanjifa satria mandritra ny vanim-potoana be orana ihany no tena mitobaka ny ronono sy ny tsimokaretina isan-karazany mety hita ao aminy araka ny fanamarihan’ireo matihanina.
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tĂ nana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT