Actualités

Vohémar Kaontenera feno “bois de rose” 273 no niainga omaly


  • Alakamisy 18 Martsa 2010

Niala tao amin’ny seranan-tsambon’i Vohémar ny alarobia 17 martsa 2010, tamin’ny 11 ora sy sasany antoandro, ny sambo “KIARA” an’ny kaompaniam-pitaterana an-dranomasina frantsay Delmas, mitondra kaontenera voasesika andramena na “bois de rose” miisa 273.

274 kaontenera no tokony ho niainga saingy toa tsy nahafeno fepetra ny iray ka dia ireo izany no lasa. Fahazoan-dalana miisa 18 no voakasik’ireo kaontenera ireo. Izay no midika fa mitohy ny fanondranan’i Madagasikara ny «bois de rose». Raha nitsidika ny seranan-tsambon’i Vohémar ny Praiminisitra Camille Vital ny Alakamisy 11 sy zoma 12 febroary ka namory ireo mpandraharaha eo amin’ny lalam-pihariana “bois de rose” dia nilaza fa afaka manondrana ny entany avy hatrany ireo mpandraharaha nahafeno ny fepetra voalazan’ny didim-panjakana n°38244 tamin’ny 21 septambra 2009 momba ny fanondranana “bois de rose” (ny lanjany, ny haba sy ny hetra, ny sazy …). Raha miisa 249 ireo kaontenera voalaza fa misy “bois de rose” ka nahafeno ireo fepetra ireo, ary mbola tafahitsoka ao an-tseranan-tsambon’i Vohémar tamin’ny nandalovan’ny Praiminisitra Camille Vital dia tafakatra 273 ireo naondrana, mpandraharaha miisa 18 no tompony, ary toa misy mpanolotsaina amina andrimpanjakana ny sasany amin’izy ireo.

Misy akondro iray kaontenera, jirofo roa kaontenera ary lavanila fito kaontenera niara-niala tamin’ireo «bois de rose» 273 kaontenera ireo. Tsy fantatra mazava ny toerana hitodian’ity sambo «KIARA» ity, ny hany nananam-baovao dia handalo ao Longoni atsy Mayotte.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • ValĂ©ry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT