Actualités

Vaky indray Ambalatavoahangy Gadra 3 nitsoaka, mpiandry fonja 1 naratra


  • Alatsinainy 12 Aprily 2010

Nitrangana tsy filaminana teo anivonny fonjabeni Toamasina ny zoma 09 aprily teo. Nisy gadra nitsoaka indray mantsy tao, ka telo no nitsoaka taminizany, ny iray tafaporitsaka fa ny roa kosa tratra teo am-pihanihana ny tamboho atsimo misy ny fanaraha-maso faha-3. Mpiandry sy mpandraharaha ny fonja nanao fiambenana iray kosa no naratra voatsindrona zava-maranitra teo aminny kibony.

Araka ny fanazavana azo, efa tetika matipaika izao fitsoahana ny fonja izao. Mazàna ihany koa raha mafana ny raharaha politika sy ny toe-draharaham-pirenena dia misy hatrany ny fanararaotana ataon’ireo voafonja. Mandeha koa ny feo fa tohin’ilay fikasana ny faran’ny taona 2009 ity fitsoahana ny fonja ity. Tamin’ireo nitsoaka ny fonja ireo mantsy dia nisy ireo efa mpanao izany, fa saingy tsy tafiditra tamin’ny famindrana voafonja folo lahy farany teo nakany amin’ny fonjan’i Tsiafahy, nataon’ny fiadidian’ny mpandraharaha ny fonja ny volana janoary, dia i Tevezy izay efa nitsoaka ny fonja ny 12 desambra 2009 ary tratra ihany taty aoriana sy i Bruno izay efa mpanao izany koa fa tsy tao anatin’ireo nitsoaka farany teo ireny. Ireo no roa tratra teo am-pihanihana ny tamboho fa ilay iray tafaporitsaka raha nanindrona zava-maranitra mpiambina ny fonja dia efa mpiditra am-ponja noho ny heloka be vava vitany ary efa mpitsoaka ny fonja fony izy tao amin’ny fonjan’i Fenoarivo Atsinanana. «Maro ny manome tsiny sy manenjika be fahatany anay mpandraharaha sy mpiambina ny fonja. Tsy fantatr’izy ireo fa olona misaina sy manana olana amin’ny fiarahamonina ary nahavita heloka tsotra sy bevava avokoa ireo tazonina ao am-ponja. Miasa sy miketrika andro aman’alina ny lohan’izy ireo ny hivoahana ny fonja sy hiverenana amin’ny fiainana ivelany sy ny nahazatra azy teo aloha. Izahay anefa sady tsy ampy fitaovana no vitsy». Izay no nambaran’ireo mpandraharaha ny fonja tafaresaka tamin’ny mpanao gazetin’ny Tia Tanindrazana mikasika ny asany.

Mitaraina ho voahilika hatrany izy ireo raha vao misy resaka fivoriana momba ny filaminana, nefa «matetika izahay ihany no atao resaka fa mahatonga izany tsy filaminana izany. Raha tiana anefa ny hisian’ny tena filaminana dia tsy maintsy arindra ny asan’ny mpisambotra sy ny mpitsara ary ny mpihazona am-ponja ireo jiolahy ireo, ary tokony hohamafisina ny fiaraha-miasa fa tsy hifanome tsiny lava». Fantatra mantsy fa ny zoma 09 aprily teo tao amin’ny Miou-Miou Club dia nanao fihaonambe momba ny filaminana sy ny ady entina handresena ny asan-jiolahy goavana ny polisim-pirenena. Nantsoina avokoa ny miaramila sy ny zandary ary ireo delegen’ny Boriborintany dimy ao Toamasina, fa tsy tafiditra tao anatin’izany ny mpandraharaha ny fonja. Tao anatin’ity tetezamita ity aloha dia hita ihany ny fangatsiahan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpitandro ny filaminana mitambatra sy ny mpandraharaha ny fonja, ny Emmo-Reg mpiara-miambina ny fonja teo aloha aza tsy misy intsony efa ho herintaona izao.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT