Actualités

Tsingerin-taona voalohan’ny «Cellule Tactique» : Tsy nipoitra ny jeneraly Zafera, lehiben’ny FIGN


  • Zoma 26 Martsa 2010

Nanamarika ny tsingerin-taona voalohany nijoroany ny “Cellule Tactique” teo anivon’ny zandarimariam-pirenena.

Natao tao Ankadilalana ny lanonana manodidina izany. Ny jeneraly Razafindrakoto Bruno, kaomandin’ny zandary ankehitriny no tompon-kevitra tamin’ny fanorenana azy ho fisorohana ny mety ho fisaratsarahana teo anivon’ny zandary sy ho iray ihany ny baiko raisin’ny rehetra raha ny nambaran’ny lieutenant colonel Rabe Jules. Efa tsy miasa intsony moa ity rafitra ity ankehitriny fa novana ny CNME na ny Commission Nationale Mixte d’Enquete. Nanambara ny jeneraly Razafindrakoto fa fankalazana tsotra eo amin’ny samy miaramila no natao fa tsy nisy ny fanasana sivily mba tsy hisian’ny fandikana ny lanonana amin’ny resaka politika. Hita teny an-toerana ny minisitry ny fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotonandrasana Noel sy ny tale jeneralin’ny Bianco, ny jeneraly Rabetrano Faly, ny talen’ny Fis, ny lieutenant colonel Lylison Réné ary ireo manamboninahitra maro avy amin’ny zandary sy ny tafika Malagasy. Tsy nipoitra teny an-toerana kosa ny Cemgam ny jeneraly Ndrianarijaona André sy ny kaomandin’ny Fign ny jeneraly Zafera. Mitory ny fisian’ny disadisa eo anivon’ny zandary ny tsy fahatongavan’ity tompon’andraikitra ambony ao amin’ny zandary ity teny an-toerana taorian’ireny raharaha 500 tapitrisa ariary izay noterena havalona fotsiny ireny.

 
Andry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT