Actualités

Tranon’ ny zokiolona Amperin’asa ny any Mandritsara sy Ambilobe


  • Talata 16 Martsa 2010

Fotodrafitrasa roa sosona no notokanan’ny Minisitry ny mponina, Nadine Ramaroson tao Ambilobe ny 11 martsa.

Teo aloha ny trano fialamboly ho an’ ny zokiolona ary ahitana fahitalavitra sy fitaovana fialamboly maro. Ny faharoa, dia ny birao iasan’ny delegen’ny minisiteran’ny mponina ao an-toerana. Ankoatra io, dia nisy ihany koa ny famangiana ny raiamandreny iray tratra antitra indrindra, 108 taona, dia i Monahisy Mahatanty. Niteraka 16 izy. Nisy fanolorana fanampiana ho azy, avy eo dia nitsidika ivotoerana iray mpitaiza kamboty izay efa niorina nandritra ny taona maro ny minisitra, saingy ny 2007 teo vao nahazo taratasy aran-dalàna. Ity ivotoerana ity dia mitaiza zaza kamboty miisa 06 izay ahitana kilemaina, ao koa ny narian-dreniny.

Tao Mandritsara koa, ny 13 martsa, dia mbola nisy ihany koa ny fitokanana ny tranon’ny zokiolona. Niara-dia tamin’ny minisitry ny mponina ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Julien Razafimanazato. Maro ny fivondronana efa nahazo ity trano ho an’ny sojabe ity, anisany i Mandritsara. Hotanterahina ao Mandritsara moa ny fiofanana mahandro, ka hanampy amin’izany ny minisitry ny fanabeazana. Nanolotra fatana 20 ny minisitry ny mponina ary vola 2 tapitrisa Ar ho an’ny zokiolona ao an-toerana.
Nandritra ity lanonana ity dia nisy ny fanolorana mari-boninahitra sy fizarana fitaovana ho an’ny tranon’ny zokiolona.
 Nangonin’i RABE. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT